Ecclesiastes 1

在耶路撒冷作王、大卫的儿子、传道者的言语。
Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
传道者说:虚空的虚空,虚空的虚空,凡事都是虚空。
Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
人一切的劳碌,就是他在日光之下的劳碌,有什么益处呢?
Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
一代过去,一代又来,地却永远长存。
Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
日头出来,日头落下,急归所出之地。
Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
风往南刮,又向北转,不住地旋转,而且返回转行原道。
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
江河都往海里流,海却不满;江河从何处流,仍归还何处。
Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
万事令人厌烦(或译:万物满有困乏),人不能说尽。眼看,看不饱;耳听,听不足。
Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.
已有的事后必再有;已行的事后必再行。日光之下并无新事。
Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
岂有一件事人能指著说这是新的?哪知,在我们以前的世代早已有了。
Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
已过的世代,无人记念;将来的世代,后来的人也不记念。
Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
我传道者在耶路撒冷作过以色列的王。
Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
我专心用智慧寻求、查究天下所做的一切事,乃知 神叫世人所经练的是极重的劳苦。
ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
我见日光之下所做的一切事,都是虚空,都是捕风。
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
弯曲的,不能变直;缺少的,不能足数。
Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
我心里议论说:我得了大智慧,胜过我以前在耶路撒冷的众人,而且我心中多经历智慧和知识的事。
Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
我又专心察明智慧、狂妄,和愚昧,乃知这也是捕风。
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
因为多有智慧,就多有愁烦;加增知识的,就加增忧伤。
satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.