Deuteronomy 4

「以色列人哪,现在我所教训你们的律例典章,你们要听从遵行,好叫你们存活,得以进入耶和华─你们列祖之 神所赐给你们的地,承受为业。
Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
所吩咐你们的话,你们不可加添,也不可删减,好叫你们遵守我所吩咐的,就是耶和华─你们 神的命令。
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
耶和华因巴力毗珥的事所行的,你们亲眼看见了。凡随从巴力毘珥的人,耶和华─你们的 神都从你们中间除灭了。
Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
惟有你们专靠耶和华─你们 神的人,今日全都存活。
Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
我照著耶和华─我 神所吩咐的将律例典章教训你们,使你们在所要进去得为业的地上遵行。
Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
所以你们要谨守遵行;这就是你们在万民眼前的智慧、聪明。他们听见这一切律例,必说:『这大国的人真是有智慧,有聪明!』
Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
哪一大国的人有 神与他们相近,像耶和华─我们的 神、在我们求告他的时候与我们相近呢?
Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?
又哪一大国有这样公义的律例典章、像我今日在你们面前所陈明的这一切律法呢?
Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
「你只要谨慎,殷勤保守你的心灵,免得忘记你亲眼所看见的事,又免得你一生这事离开你的心;总要传给你的子子孙孙。
Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
你在何烈山站在耶和华─你 神面前的那日,耶和华对我说:『你为我招聚百姓,我要叫他们听见我的话,使他们存活在世的日子,可以学习敬畏我,又可以教训儿女这样行。』
dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
那时你们近前来,站在山下;山上有火焰冲天,并有昏黑、密云、幽暗。
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
耶和华从火焰中对你们说话,你们只听见声音,却没有看见形像。
Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
他将所吩咐你们当守的约指示你们,就是十条诫,并将这诫写在两块石版上。
Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
那时耶和华又吩咐我将律例典章教训你们,使你们在所要过去得为业的地上遵行。」
Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
所以,你们要分外谨慎;因为耶和华在何烈山、从火中对你们说话的那日,你们没有看见什么形像。
Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
惟恐你们败坏自己,雕刻偶像,彷彿什么男像女像,
fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
或地上走兽的像,或空中飞鸟的像,
na sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
或地上爬物的像,或地底下水中鱼的像。
na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
又恐怕你向天举目观看,见耶和华─你的 神为天下万民所摆列的日月星,就是天上的万象,自己便被勾引敬拜事奉它。
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
耶和华将你们从埃及领出来,脱离铁炉,要特作自己产业的子民,像今日一样。
Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
耶和华又因你们的缘故向我发怒,起誓必不容我过约旦河,也不容我进入耶和华─你 神所赐你为业的那美地。
Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
我只得死在这地,不能过约旦河;但你们必过去得那美地。
Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
你们要谨慎,免得忘记耶和华─你们 神与你们所立的约,为自己雕刻偶像,就是耶和华─你 神所禁止你做的偶像;
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
因为耶和华─你的 神乃是烈火,是忌邪的 神。
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
「你们在那地住久了,生子生孙,就雕刻偶像,彷彿什么形像,败坏自己,行耶和华─你 神眼中看为恶的事,惹他发怒。
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
我今日呼天唤地向你们作见证,你们必在过约旦河得为业的地上速速灭尽!你们不能在那地上长久,必尽行除灭。
dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
耶和华必使你们分散在万民中;在他所领你们到的万国里,你们剩下的人数稀少。
Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
在那里,你们必事奉人手所造的神,就是用木石造成、不能看、不能听、不能吃、不能闻的神。
Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
但你们在那里必寻求耶和华─你的 神。你尽心尽性寻求他的时候,就必寻见。
Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
日后你遭遇一切患难的时候,你必归回耶和华─你的 神,听从他的话。
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
耶和华─你 神原是有怜悯的 神;他总不撇下你,不灭绝你,也不忘记他起誓与你列祖所立的约。
fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
「你且考察在你以前的世代,自 神造人在世以来,从天这边到天那边,曾有何民听见 神在火中说话的声音,像你听见还能存活呢?这样的大事何曾有、何曾听见呢?
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
并入上节
Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
 神何曾从别的国中将一国的人民领出来,用试验、神迹、奇事、争战、大能的手,和伸出来的膀臂,并大可畏的事,像耶和华─你们的 神在埃及,在你们眼前为你们所行的一切事呢?
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
这是显给你看,要使你知道,惟有耶和华─他是 神,除他以外,再无别神。
Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
他从天上使你听见他的声音,为要教训你,又在地上使你看见他的烈火,并且听见他从火中所说的话。
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
因他爱你的列祖,所以拣选他们的后裔,用大能亲自领你出了埃及,
Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,
要将比你强大的国民从你面前赶出,领你进去,将他们的地赐你为业,像今日一样。
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
所以,今日你要知道,也要记在心上,天上地下惟有耶和华他是 神,除他以外,再无别神。
Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
我今日将他的律例诫命晓谕你,你要遵守,使你和你的子孙可以得福,并使你的日子在耶和华─你 神所赐的地上得以长久。」
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
「那时,摩西在约旦河东,向日出之地,分定三座城,
Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,
使那素无仇恨、无心杀了人的,可以逃到这三城之中的一座城,就得存活:
mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
为流便人分定旷野平原的比悉;为迦得人分定基列的拉末;为玛拿西人分定巴珊的哥兰。」
dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.
摩西在以色列人面前所陈明的律法─
Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
就是摩西在以色列人出埃及后所传给他们的法度、律例、典章;
Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
在约旦河东伯‧毗珥对面的谷中,在住希实本、亚摩利王西宏之地;这西宏是摩西和以色列人出埃及后所击杀的。
tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
他们得了他的地,又得了巴珊王噩的地,就是两个亚摩利王,在约旦河东向日出之地。
ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,
从亚嫩谷边的亚罗珥,直到西云山,就是黑门山。
hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
还有约旦河东的全亚拉巴,直到亚拉巴海,靠近毘斯迦山根。
dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.