Deuteronomy 3

「以后,我们转回,向巴珊去。巴珊王噩和他的众民都出来,在以得来与我们交战。
Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra.
耶和华对我说:『不要怕他!因我已将他和他的众民,并他的地,都交在你手中;你要待他像从前待住希实本的亚摩利王西宏一样。』
Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
于是耶和华─我们的 神也将巴珊王噩和他的众民都交在我们手中;我们杀了他们,没有留下一个。
Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
那时,我们夺了他所有的城,共有六十座,没有一座城不被我们所夺。这为亚珥歌伯的全境,就是巴珊地噩王的国。
Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.
这些城都有坚固的高墙,有门有闩。此外还有许多无城墙的乡村。
Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
我们将这些都毁灭了,像从前待希实本王西宏一样,把有人烟的各城,连女人带孩子,尽都毁灭;
Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy.
惟有一切牲畜和城中的财物都取为自己的掠物。
Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
那时,我们从约旦河东两个亚摩利王的手将亚嫩谷直到黑门山之地夺过来
Ary nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka roan'ny Amorita ny tany izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona
(这黑门山,西顿人称为西连,亚摩利人称为示尼珥),
Hermona nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
就是夺了平原的各城、基列全地、巴珊全地,直到撒迦和以得来,都是巴珊王噩国内的城邑。
dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana.
(利乏音人所剩下的只有巴珊王噩。他的床是铁的,长九肘,宽四肘,都是以人肘为度。现今岂不是在亚扪人的拉巴吗?)」
Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
「那时,我们得了这地。从亚嫩谷边的亚罗珥起,我将基列山地的一半,并其中的城邑,都给了流便人和迦得人。
Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
其余的基列地和巴珊全地,就是噩王的国,我给了玛拿西半支派。亚珥歌伯全地乃是巴珊全地;这叫做利乏音人之地。
ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin'ny Refaita izany.
玛拿西的子孙睚珥占了亚珥歌伯全境,直到基述人和玛迦人的交界,就按自己的名称这巴珊地为哈倭特‧睚珥,直到今日。
Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
我又将基列给了玛吉。
Ary Gileada dia nomeko an'i Makira.
从基列到亚嫩谷,以谷中为界,直到亚扪人交界的雅博河,我给了流便人和迦得人,
Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona,
又将亚拉巴和靠近约旦河之地,从基尼烈直到亚拉巴海,就是盐海,并毘斯迦山根东边之地,都给了他们。
ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany.
「那时,我吩咐你们说:『耶和华─你们的 神已将这地赐给你们为业;你们所有的勇士都要带著兵器,在你们的弟兄以色列人前面过去。
Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
但你们的妻子、孩子、牲畜(我知道你们有许多的牲畜)可以住在我所赐给你们的各城里。
Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
等到你们弟兄在约旦河那边,也得耶和华─你们 神所赐给他们的地,又使他们得享平安,与你们一样,你们才可以回到我所赐给你们为业之地。』
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
那时我吩咐约书亚说:『你亲眼看见了耶和华─你 神向这二王所行的;耶和华也必向你所要去的各国照样行。
Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao.
你不要怕他们,因那为你争战的是耶和华─你的 神。』」
Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
「那时,我恳求耶和华说:
Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe:
『主耶和华啊,你已将你的大力大能显给仆人看。在天上,在地下,有什么 神能像你行事、像你有大能的作为呢?
Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
求你容我过去,看约旦河那边的美地,就是那佳美的山地和黎巴嫩。』
Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
但耶和华因你们的缘故向我发怒,不应允我,对我说:『罢了!你不要向我再题这事。
Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao.
你且上毘斯迦山顶去,向东、西、南、北举目观望,因为你必不能过这约旦河。
Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
你却要嘱咐约书亚,勉励他,使他胆壮;因为他必在这百姓前面过去,使他们承受你所要观看之地。』
fa mandidia an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
于是我们住在伯‧毗珥对面的谷中。」
Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.