Deuteronomy 22

「你若看见弟兄的牛或羊失迷了路,不可佯为不见,总要把牠牵回来交给你的弟兄。
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
你弟兄若离你远,或是你不认识他,就要牵到你家去,留在你那里,等你弟兄来寻找就还给他。
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
你的弟兄无论失落什么,或是驴,或是衣服,你若遇见,都要这样行,不可佯为不见。
Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
你若看见弟兄的牛或驴跌倒在路上,不可佯为不见,总要帮助他拉起来。
Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
「妇女不可穿戴男子所穿戴的,男子也不可穿妇女的衣服,因为这样行都是耶和华─你 神所憎恶的。
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
「你若路上遇见鸟窝,或在树上或在地上,里头有雏或有蛋,母鸟伏在雏上或在蛋上,你不可连母带雏一并取去。
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
总要放母,只可取雏,这样你就可以享福,日子得以长久。
Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
「你若建造房屋,要在房上的四围安栏杆,免得有人从房上掉下来,流血的罪就归于你家。
Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.
「不可把两样种子种在你的葡萄园里,免得你撒种所结的和葡萄园的果子都要充公。
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
不可并用牛、驴耕地。
Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
不可穿羊毛、细麻两样搀杂料做的衣服。
Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.
「你要在所披的外衣上四围做䍁子。」
Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.
「人若娶妻,与她同房之后恨恶她,
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
信口说她,将丑名加在她身上,说:『我娶了这女子,与她同房,见她没有贞洁的凭据』;
dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
女子的父母就要把女子贞洁的凭据拿出来,带到本城门长老那里。
dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.
女子的父亲要对长老说:『我将我的女儿给这人为妻,他恨恶她,
Dia hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
信口说她,说:我见你的女儿没有贞洁的凭据;其实这就是我女儿贞洁的凭据。』父母就把那布铺在本城的长老面前。
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
本城的长老要拿住那人,惩治他,
Ary halain'ny loholona amin'ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
并要罚他一百舍客勒银子,给女子的父亲,因为他将丑名加在以色列的一个处女身上。女子仍作他的妻,终身不可休她。
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
但这事若是真的,女子没有贞洁的凭据,
Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
就要将女子带到她父家的门口,本城的人要用石头将她打死;因为她在父家行了淫乱,在以色列中做了丑事。这样,就把那恶从你们中间除掉。
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
「若遇见人与有丈夫的妇人行淫,就要将奸夫淫妇一并治死。这样,就把那恶从以色列中除掉。
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
「若有处女已经许配丈夫,有人在城里遇见她,与她行淫,
Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
你们就要把这二人带到本城门,用石头打死─女子是因为虽在城里却没有喊叫;男子是因为玷污别人的妻。这样,就把那恶从你们中间除掉。
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
「若有男子在田野遇见已经许配人的女子,强与她行淫,只要将那男子治死。
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
但不可办女子;她本没有该死的罪,这事就类乎人起来攻击邻舍,将他杀了一样。
Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.
因为男子是在田野遇见那已经许配人的女子,女子喊叫,并无人救她。
Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
「若有男子遇见没有许配人的处女,抓住她,与她行淫,被人看见,
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
这男子就要拿五十舍客勒银子给女子的父亲;因他玷污了这女子,就要娶她为妻,终身不可休她。
dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
「人不可娶继母为妻;不可掀开他父亲的衣襟。」