Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.