Deuteronomy 15

「每逢七年末一年,你要施行豁免。
Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
豁免的定例乃是这样:凡债主要把所借给邻舍的豁免了;不可向邻舍和弟兄追讨,因为耶和华的豁免年已经宣告了。
Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
若借给外邦人,你可以向他追讨;但借给你弟兄,无论是什么,你要松手豁免了。
Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
你若留意听从耶和华─你 神的话,谨守遵行我今日所吩咐你这一切的命令,就必在你们中间没有穷人了(在耶和华─你 神所赐你为业的地上,耶和华必大大赐福与你。)
kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
并入上一节
raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
因为耶和华─你的 神必照他所应许你的赐福与你。你必借给许多国民,却不致向他们借贷;你必管辖许多国民,他们却不能管辖你。
Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
「在耶和华─你 神所赐你的地上,无论那一座城里,你弟兄中若有一个穷人,你不可忍著心、揝著手不帮补你穷乏的弟兄。
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo;
总要向他松开手,照他所缺乏的借给他,补他的不足。
fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
你要谨慎,不可心里起恶念,说:『第七年的豁免年快到了』,你便恶眼看你穷乏的弟兄,什么都不给他,以致他因你求告耶和华,罪便归于你了。
Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
你总要给他,给他的时候心里不可愁烦;因耶和华─你的 神必在你这一切所行的,并你手里所办的事上,赐福与你。
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao.
原来那地上的穷人永不断绝;所以我吩咐你说:『总要向你地上困苦穷乏的弟兄松开手。』」
Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.
「你弟兄中,若有一个希伯来男人或希伯来女人被卖给你,服事你六年,到第七年就要任他自由出去。
Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito.
你任他自由的时候,不可使他空手而去,
Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
要从你羊群、禾场、酒醡之中多多地给他;耶和华─你的 神怎样赐福与你,你也要照样给他。
fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
要记念你在埃及地作过奴仆,耶和华─你的 神将你救赎;因此,我今日吩咐你这件事。
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
他若对你说:『我不愿意离开你』,是因他爱你和你的家,且因在你那里很好,
Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
你就要拿锥子将他的耳朵在门上刺透,他便永为你的奴仆了。你待婢女也要这样。
dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao.
你任他自由的时候,不可以为难事,因他服事你六年,较比雇工的工价多加一倍了。耶和华─你的 神就必在你所做的一切事上赐福与你。」
Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.
「你牛群羊群中头生的,凡是公的,都要分别为圣,归耶和华─你的 神。牛群中头生的,不可用牠耕地;羊群中头生的,不可剪毛。
Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao dia hohamasininao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman'osinao.
这头生的,你和你的家属,每年要在耶和华所选择的地方,在耶和华─你 神面前吃。
Eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah.
这头生的若有什么残疾,就如瘸腿的、瞎眼的,无论有什么恶残疾,都不可献给耶和华─你的 神;
Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ireny.
可以在你城里吃;洁净人与不洁净人都可以吃,就如吃羚羊与鹿一般。
Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
只是不可吃牠的血;要倒在地上,如同倒水一样。」
Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.