Daniel 7

巴比伦王伯沙撒元年,但以理在床上做梦,见了脑中的异象,就记录这梦,述说其中的大意。
Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.
但以理说:我夜里见异象,看见天的四风陡起,刮在大海之上。
Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
有四个大兽从海中上来,形状各有不同:
Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
头一个像狮子,有鹰的翅膀;我正观看的时候,兽的翅膀被拔去,兽从地上得立起来,用两脚站立,像人一样,又得了人心。
Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
又有一兽如熊,就是第二兽,旁跨而坐,口齿内啣著三根肋骨。有吩咐这兽的说:起来吞吃多肉。
Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
此后我观看,又有一兽如豹,背上有鸟的四个翅膀;这兽有四个头,又得了权柄。
Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
其后我在夜间的异象中观看,见第四兽甚是可怕,极其强壮,大有力量,有大铁牙,吞吃嚼碎,所剩下的用脚践踏。这兽与前三兽大不相同,头有十角。
Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
我正观看这些角,见其中又长起一个小角;先前的角中有三角在这角前,连根被牠拔出来。这角有眼,像人的眼,有口说夸大的话。
Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
我观看,见有宝座设立,上头坐著亘古常在者。他的衣服洁白如雪,头发如纯净的羊毛。宝座乃火焰,其轮乃烈火。
Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
从他面前有火,像河发出;事奉他的有千千,在他面前侍立的有万万;他坐著要行审判,案卷都展开了。
Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
那时我观看,见那兽因小角说夸大话的声音被杀,身体损坏,扔在火中焚烧。
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
其余的兽,权柄都被夺去,生命却仍存留,直到所定的时候和日期。
Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
我在夜间的异象中观看,见有一位像人子的,驾著天云而来,被领到亘古常在者面前,
Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
得了权柄、荣耀、国度,使各方、各国、各族的人都事奉他。他的权柄是永远的,不能废去;他的国必不败坏。
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
至于我─但以理,我的灵在我里面愁烦,我脑中的异象使我惊惶。
Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
我就近一位侍立者,问他这一切的真情。他就告诉我,将那事的讲解给我说明。
Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
这四个大兽就是四王将要在世上兴起。
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
然而,至高者的圣民,必要得国享受,直到永永远远。
Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
那时我愿知道第四兽的真情,牠为何与那三兽的真情大不相同,甚是可怕,有铁牙铜爪,吞吃嚼碎,所剩下的用脚践踏;
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
头有十角和那另长的一角,在这角前有三角被牠打落。这角有眼,有说夸大话的口,形状强横,过于牠的同类。
ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
我观看,见这角与圣民争战,胜了他们。
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
直到亘古常在者来给至高者的圣民伸冤,圣民得国的时候就到了。
ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
那侍立者这样说:第四兽就是世上必有的第四国,与一切国大不相同,必吞吃全地,并且践踏嚼碎。
Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
至于那十角,就是从这国中必兴起的十王,后来又兴起一王,与先前的不同;他必制伏三王。
Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
他必向至高者说夸大的话,必折磨至高者的圣民,必想改变节期和律法。圣民必交付他手一载、二载、半载。
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
然而,审判者必坐著行审判;他的权柄必被夺去,毁坏,灭绝,一直到底。
Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
国度、权柄,和天下诸国的大权必赐给至高者的圣民。他的国是永远的;一切掌权的都必事奉他,顺从他。
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
那事至此完毕。至于我─但以理,心中甚是惊惶,脸色也改变了,却将那事存记在心。
Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.