Colossians 3

所以,你们若真与基督一同复活,就当求在上面的事;那里有基督坐在 神的右边。
Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.
你们要思念上面的事,不要思念地上的事。
Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
因为你们已经死了,你们的生命与基督一同藏在 神里面。
Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
基督是我们的生命,他显现的时候,你们也要与他一同显现在荣耀里。
Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
所以,要治死你们在地上的肢体,就如淫乱、污秽、邪情、恶欲,和贪婪。贪婪就与拜偶像一样。
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
因这些事, 神的忿怒必临到那悖逆之子。
fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
当你们在这些事中活著的时候,也曾这样行过。
izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
但现在你们要弃绝这一切的事,以及恼恨、忿怒、恶毒(或作:阴毒)、毁谤,并口中污秽的言语。
Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
不要彼此说谎;因你们已经脱去旧人和旧人的行为,
Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany;
穿上了新人。这新人在知识上渐渐更新,正如造他主的形像。
ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.
在此并不分希腊人、犹太人,受割礼的、未受割礼的,化外人,西古提人,为奴的、自主的,惟有基督是包括一切,又住在各人之内。
Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra.
所以,你们既是 神的选民,圣洁蒙爱的人,就要存(原文作穿;下同)怜悯、恩慈、谦虚、温柔、忍耐的心。
Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
倘若这人与那人有嫌隙,总要彼此包容,彼此饶恕;主怎样饶恕了你们,你们也要怎样饶恕人。
Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
在这一切之外,要存著爱心,爱心就是联络全德的。
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
又要叫基督的平安在你们心里作主;你们也为此蒙召,归为一体;且要存感谢的心。
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
当用各样的智慧,把基督的道理丰丰富富的存在心里(或作:当把基督的道理丰丰富富的存在心里,以各样的智慧),用诗章、颂词、灵歌,彼此教导,互相劝戒,心被恩感,歌颂 神。
Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
无论做什么,或说话或行事,都要奉主耶稣的名,借著他感谢父 神。
Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
你们作妻子的,当顺服自己的丈夫,这在主里面是相宜的。
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
你们作丈夫的,要爱你们的妻子,不可苦待她们。
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.
你们作儿女的,要凡事听从父母,因为这是主所喜悦的。
Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.
你们作父亲的,不要惹儿女的气,恐怕他们失了志气。
Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
你们作仆人的,要凡事听从你们肉身的主人,不要只在眼前事奉,像是讨人喜欢的,总要存心诚实敬畏主。
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
无论做什么,都要从心里做,像是给主做的,不是给人做的,
ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,
因你们知道从主那里必得著基业为赏赐;你们所事奉的乃是主基督。
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
那行不义的必受不义的报应;主并不偏待人。
Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,