Colossians 2

我愿意你们晓得,我为你们和老底嘉人,并一切没有与我亲自见面的人,是何等的尽心竭力;
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
要叫他们的心得安慰,因爱心互相联络,以致丰丰足足在悟性中有充足的信心,使他们真知 神的奥祕,就是基督;
mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
所积蓄的一切智慧知识,都在他里面藏著。
Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
我说这话,免得有人用花言巧语迷惑你们。
Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
我身子虽与你们相离,心却与你们同在,见你们循规蹈矩,信基督的心也坚固,我就欢喜了。
Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.
你们既然接受了主基督耶稣,就当遵他而行,
Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
在他里面生根建造,信心坚固,正如你们所领的教训,感谢的心也更增长了。
ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin'ny fisaorana.
你们要谨慎,恐怕有人用他的理学和虚空的妄言,不照著基督,乃照人间的遗传和世上的小学就把你们掳去。
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.
因为 神本性一切的丰盛都有形有体的居住在基督里面,
Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
你们在他里面也得了丰盛。他是各样执政掌权者的元首。
ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
你们在他里面也受了不是人手所行的割礼,乃是基督使你们脱去肉体情欲的割礼。
ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
你们既受洗与他一同埋葬,也就在此与他一同复活,都因信那叫他从死里复活 神的功用。
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
你们从前在过犯和未受割礼的肉体中死了, 神赦免了你们(或作:我们)一切过犯,便叫你们与基督一同活过来;
Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
又涂抹了在律例上所写攻击我们,有碍于我们的字据,把它撤去,钉在十字架上。
ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
既将一切执政的、掌权的掳来,明显给众人看,就仗著十字架夸胜。
ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy.
所以,不拘在饮食上,或节期、月朔、安息日都不可让人论断你们。
Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
这些原是后事的影儿;那形体却是基督。
aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
不可让人因著故意谦虚和敬拜天使,就夺去你们的奖赏。这等人拘泥在所见过的(有古卷作:这等人窥察所没有见过的),随著自己的欲心,无故的自高自大,
Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony
不持定元首。全身既然靠著他,筋节得以相助联络,就因 神大得长进。
ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
你们若是与基督同死,脱离了世上的小学,为什么仍像在世俗中活著、服从那不可拿、不可尝、不可摸等类的规条呢?
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
a
Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
这都是照人所吩咐、所教导的。说到这一切,正用的时候就都败坏了。
levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
这些规条使人徒有智慧之名,用私意崇拜,自表谦卑,苦待己身,其实在克制肉体的情欲上是毫无功效。
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.