Amos 9

我看见主站在祭坛旁边;他说:你要击打柱顶,使门槛震动,打碎柱顶,落在众人头上;所剩下的人,我必用刀杀戮,无一人能逃避,无一人能逃脱。
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
他们虽然挖透阴间,我的手必取出他们来;虽然爬上天去,我必拿下他们来;
Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
虽然藏在迦密山顶,我必搜寻,捉出他们来;虽然从我眼前藏在海底,我必命蛇咬他们;
Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
虽被仇敌掳去,我必命刀剑杀戮他们;我必向他们定住眼目,降祸不降福。
Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
主─万军之耶和华摸地,地就消化,凡住在地上的都必悲哀。地必全然像尼罗河涨起,如同埃及河落下。
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
那在天上建造楼阁、在地上安定穹苍、命海水浇在地上的─耶和华是他的名。
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
耶和华说:以色列人哪,我岂不看你们如古实人吗?我岂不是领以色列人出埃及地,领非利士人出迦斐托,领亚兰人出吉珥吗?
Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
主耶和华的眼目察看这有罪的国,必将这国从地上灭绝,却不将雅各家灭绝净尽。这是耶和华说的。
Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
我必出令,将以色列家分散在列国中,好像用筛子筛谷,连一粒也不落在地上。
Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
我民中的一切罪人说:灾祸必追不上我们,也迎不著我们。他们必死在刀下。
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
到那日,我必建立大卫倒塌的帐幕,堵住其中的破口,把那破坏的建立起来,重新修造,像古时一样,
Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
使以色列人得以东所余剩的和所有称为我名下的国。此乃行这事的耶和华说的。
Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
耶和华说:日子将到,耕种的必接续收割的;踹葡萄的必接续撒种的;大山要滴下甜酒;小山都必流奶(原文是消化,见约珥三章十八节)。
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
我必使我民以色列被掳的归回;他们必重修荒废的城邑居住,栽种葡萄园,喝其中所出的酒,修造果木园,吃其中的果子。
Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
我要将他们栽于本地,他们不再从我所赐给他们的地上拔出来。这是耶和华─你的 神说的。
Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.