Amos 7

主耶和华指示我一件事:为王割菜(或译:草)之后,菜又发生;刚发生的时候,主造蝗虫。
Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
蝗虫吃尽那地的青物,我就说:「主耶和华啊,求你赦免;因为雅各微弱,他怎能站立得住呢?」
Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
耶和华就后悔,说:「这灾可以免了。」
Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
主耶和华又指示我一件事:他命火来惩罚以色列,火就吞灭深渊,险些将地烧灭。
Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
我就说:「主耶和华啊,求你止息;因为雅各微弱,他怎能站立得住呢?」
Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
耶和华就后悔,说:「这灾也可免了。」
Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
他又指示我一件事:有一道墙是按准绳建筑的,主手拿准绳站在其上。
Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
耶和华对我说:「阿摩司啊,你看见什么?」我说:「看见准绳。」主说:「我要吊起准绳在我民以色列中,我必不再宽恕他们。
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
以撒的邱坛必然凄凉,以色列的圣所必然荒废。我必兴起,用刀攻击耶罗波安的家。」
Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.
伯特利的祭司亚玛谢打发人到以色列王耶罗波安那里,说:「阿摩司在以色列家中图谋背叛你;他所说的一切话,这国担当不起;
Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,
因为阿摩司如此说:『耶罗波安必被刀杀,以色列民定被掳去离开本地。』」
satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.
亚玛谢又对阿摩司说:「你这先见哪,要逃往犹大地去,在那里糊口,在那里说预言,
Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
却不要在伯特利再说预言;因为这里有王的圣所,有王的宫殿。」
fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
阿摩司对亚玛谢说:「我原不是先知,也不是先知的门徒(原文是儿子)。我是牧人,又是修理桑树的。
Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
耶和华选召我,使我不跟从羊群,对我说:『你去向我民以色列说预言。』
saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.
亚玛谢啊,现在你要听耶和华的话。你说:『不要向以色列说预言,也不要向以撒家滴下预言。』
Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;
所以耶和华如此说:『你的妻子必在城中作妓女,你的儿女必倒在刀下;你的地必有人用绳子量了分取,你自己必死在污秽之地。以色列民定被掳去离开本地。』」
Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.