Acts 6

那时,门徒增多,有说希腊话的犹太人向希伯来人发怨言,因为在天天的供给上忽略了他们的寡妇。
Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
十二使徒叫众门徒来,对他们说:我们撇下 神的道去管理饭食,原是不合宜的。
Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
所以弟兄们,当从你们中间选出七个有好名声、被圣灵充满、智慧充足的人,我们就派他们管理这事。
Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
但我们要专心以祈祷、传道为事。
Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
大众都喜悦这话,就拣选了司提反,乃是大有信心、圣灵充满的人,又拣选腓利、伯罗哥罗、尼迦挪、提门、巴米拿,并进犹太教的安提阿人尼哥拉,
Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
叫他们站在使徒面前。使徒祷告了,就按手在他们头上。
ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
 神的道兴旺起来;在耶路撒冷门徒数目加增的甚多,也有许多祭司信从了这道。
Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
司提反满得恩惠、能力,在民间行了大奇事和神迹。
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
当时有称利百地拿会堂的几个人,并有古利奈、亚力山太、基利家、亚细亚、各处会堂的几个人,都起来和司提反辩论。
Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.
司提反是以智慧和圣灵说话,众人敌挡不住,
Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
就买出人来说:我们听见他说谤讟摩西和 神的话。
dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an'i Mosesy sy Andriamanitra ity.
他们又耸动了百姓、长老,并文士,就忽然来捉拿他,把他带到公会去,
Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
设下假见证,说:这个人说话,不住的蹧践圣所和律法。
ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
我们曾听见他说:这拿撒勒人耶稣要毁坏此地,也要改变摩西所交给我们的规条。
Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.
在公会里坐著的人都定睛看他,见他的面貌,好像天使的面貌。
Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely.