Acts 3

申初祷告的时候,彼得、约翰上圣殿去。
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
有一个人,生来是瘸腿的,天天被人抬来,放在殿的一个门口,那门名叫美门,要求进殿的人赒济。
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
他看见彼得、约翰将要进殿,就求他们赒济。
nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
彼得约翰定睛看他;彼得说:你看我们!
Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
那人就留意看他们,指望得著什么。
Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
彼得说:金银我都没有,只把我所有的给你:我奉拿撒勒人耶稣基督的名,叫你起来行走!
Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
于是拉著他的右手,扶他起来;他的脚和踝子骨立刻健壮了,
Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
就跳起来,站著,又行走,同他们进了殿,走著,跳著,讚美 神。
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
百姓都看见他行走,讚美 神;
Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
认得他是那素常坐在殿的美门口求赒济的,就因他所遇著的事满心希奇、惊讶。
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
那人正在称为所罗门的廊下,拉著彼得、约翰;众百姓一齐跑到他们那里,很觉希奇。
Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
彼得看见,就对百姓说:以色列人哪,为什么把这事当作希奇呢?为什么定睛看我们,以为我们凭自己的能力和虔诚使这人行走呢?
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
亚伯拉罕、以撒、雅各的 神,就是我们列祖的 神,已经荣耀了他的仆人(或作:儿子)耶稣;你们却把他交付彼拉多。彼拉多定意要释放他,你们竟在彼拉多面前弃绝了他。
Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
你们弃绝了那圣洁公义者,反求著释放一个凶手给你们。
Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
你们杀了那生命的主, 神却叫他从死里复活了;我们都是为这事作见证。
fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
我们因信他的名,他的名便叫你们所看见所认识的这人健壮了;正是他所赐的信心,叫这人在你们众人面前全然好了。
Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
弟兄们,我晓得你们做这事是出于不知,你们的官长也是如此。
Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
但 神曾借众先知的口,预言基督将要受害,就这样应验了。
Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
所以,你们当悔改归正,使你们的罪得以涂抹,这样,那安舒的日子就必从主面前来到;
Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
主也必差遣所预定给你们的基督耶稣降临。
ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
天必留他,等到万物复兴的时候,就是 神从创世以来、借著圣先知的口所说的。
Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
摩西曾说:主─ 神要从你们弟兄中间给你们兴起一位先知像我,凡他向你们所说的,你们都要听从。
Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
凡不听从那先知的,必要从民中全然灭绝。
Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
从撒母耳以来的众先知,凡说预言的,也都说到这些日子。
Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
你们是先知的子孙,也承受 神与你们祖宗所立的约,就是对亚伯拉罕说:地上万族都要因你的后裔得福。
Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).
 神既兴起他的仆人(或作:儿子),就先差他到你们这里来,赐福给你们,叫你们各人回转,离开罪恶。
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.