Acts 27

非斯都既然定规了,叫我们坐船往意大利去,便将保罗和别的囚犯交给御营里的一个百夫长,名叫犹流。
Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
有一只亚大米田的船,要沿著亚细亚一带地方的海边走,我们就上了那船开行;有马其顿的帖撒罗尼迦人亚里达古和我们同去。
Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
第二天,到了西顿;犹流宽待保罗,准他往朋友那里去,受他们的照应。
Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
从那里又开船,因为风不顺,就贴著塞浦路斯背风岸行去。
Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
过了基利家、旁非利亚前面的海,就到了吕家的每拉。
Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
在那里,百夫长遇见一只亚力山大的船,要往意大利去,便叫我们上了那船。
Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
一连多日,船行得慢,仅仅来到革尼土的对面。因为被风拦阻,就贴著克里特背风岸,从撒摩尼对面行过。
Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
我们沿岸行走,仅仅来到一个地方,名叫佳澳;离那里不远,有拉西亚城。
ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
走的日子多了,已经过了禁食的节期,行船又危险,保罗就劝众人说:
Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
众位,我看这次行船,不但货物和船要受伤损,大遭破坏,连我们的性命也难保。
ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
但百夫长信从掌船的和船主,不信从保罗所说的。
Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
且因在这海口过冬不便,船上的人就多半说:不如开船离开这地方,或者能到菲尼基过冬。菲尼基是克里特的一个海口,一面朝东北,一面朝东南。
Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
这时,微微起了南风,他们以为得意,就起了锚,贴近克里特行去。
Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
不多几时,狂风从岛上扑下来;那风名叫友拉革罗。
Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
船被风抓住,敌不住风,我们就任风刮去。
Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
贴著一个小岛的背风岸奔行,那岛名叫高大,在那里仅仅收住了小船。
Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;
既然把小船拉上来,就用缆索捆绑船底,又恐怕在赛耳底沙滩上搁了浅,就落下篷来,任船飘去。
ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
我们被风浪逼得甚急,第二天众人就把货物抛在海里。
Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
到第三天,他们又亲手把船上的器具抛弃了。
ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
太阳和星辰多日不显露,又有狂风大浪催逼,我们得救的指望就都绝了。
fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
众人多日没有吃什么,保罗就出来站在他们中间,说:众位,你们本该听我的话,不离开克里特,免得遭这样的伤损破坏。
Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
现在我还劝你们放心,你们的性命一个也不失丧,惟独失丧这船。
Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
因我所属所事奉的 神,他的使者昨夜站在我旁边,说:
Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
保罗,不要害怕,你必定站在凯撒面前,并且与你同船的人, 神都赐给你了。
ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
所以众位可以放心,我信 神他怎样对我说:事情也要怎样成就。
Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
只是我们必要撞在一个岛上。
Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
到了第十四天夜间,船在亚得里亚海飘来飘去。约到半夜,水手以为渐近旱地,
Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
就探深浅,探得有十二丈;稍往前行,又探深浅,探得有九丈。
dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
恐怕撞在石头上,就从船尾抛下四个锚,盼望天亮。
Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
水手想要逃出船去,把小船放在海里,假作要从船头抛锚的样子。
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
保罗对百夫长和兵丁说:这些人若不等在船上,你们必不能得救。
dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
于是兵丁砍断小船的绳子,由它飘去。
Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
天渐亮的时候,保罗劝众人都吃饭,说:你们悬望忍饿不吃什么,已经十四天了。
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
所以我劝你们吃饭,这是关乎你们救命的事;因为你们各人连一根头发也不至于损坏。
Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
保罗说了这话,就拿著饼,在众人面前祝谢了 神,擘开吃。
Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
于是他们都放下心,也就吃了。
Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
我们在船上的共有二百七十六个人。
Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
他们吃饱了,就把船上的麦子抛在海里,为要叫船轻一点。
Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
到了天亮,他们不认识那地方,但见一个海湾,有岸可登,就商议能把船拢进去不能。
Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
于是砍断缆索,弃锚在海里;同时也松开舵绳,拉起头篷,顺著风向岸行去。
Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
但遇著两水夹流的地方,就把船搁了浅;船头胶住不动,船尾被浪的猛力冲坏。
Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
兵丁的意思要把囚犯杀了,恐怕有洑水脱逃的。
Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
但百夫长要救保罗,不准他们任意而行,就吩咐会洑水的,跳下水去先上岸;
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,
其余的人可以用板子或船上的零碎东西上岸。这样,众人都得了救,上了岸。
ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.