Acts 26

亚基帕对保罗说:准你为自己辩明。于是保罗伸手分诉,说:
Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
亚基帕王啊,犹太人所告我的一切事,今日得在你面前分诉,实为万幸;
Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
更可幸的,是你熟悉犹太人的规矩和他们的辩论;所以求你耐心听我。
indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
我从起初在本国的民中,并在耶路撒冷,自幼为人如何,犹太人都知道。
Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
他们若肯作见证就晓得,我从起初是按著我们教中最严紧的教门作了法利赛人。
eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
现在我站在这里受审,是因为指望 神向我们祖宗所应许的;
Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
这应许,我们十二个支派,昼夜切切的事奉 神,都指望得著。王啊,我被犹太人控告,就是因这指望。
dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
 神叫死人复活,你们为什么看作不可信的呢?
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
从前我自己以为应当多方攻击拿撒勒人耶稣的名,
Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
我在耶路撒冷也曾这样行了。既从祭司长得了权柄,我就把许多圣徒囚在监里。他们被杀,我也出名定案。
sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
在各会堂,我屡次用刑强逼他们说亵渎的话,又分外恼恨他们,甚至追逼他们,直到外邦的城邑。
Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.
那时,我领了祭司长的权柄和命令,往大马士革去。
Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona,
王啊,我在路上,晌午的时候,看见从天发光,比日头还亮,四面照著我并与我同行的人。
koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
我们都仆倒在地,我就听见有声音用希伯来话向我说:扫罗!扫罗!为什么逼迫我?你用脚踢刺是难的!
Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
我说:主啊,你是谁?主说:我就是你所逼迫的耶稣。
Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
你起来站著,我特意向你显现,要派你作执事,作见证,将你所看见的事和我将要指示你的事证明出来;
Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
我也要救你脱离百姓和外邦人的手。
hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
我差你到他们那里去,要叫他们的眼睛得开,从黑暗中归向光明,从撒但权下归向 神;又因信我,得蒙赦罪,和一切成圣的人同得基业。
hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
亚基帕王啊,我故此没有违背那从天上来的异象;
Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
先在大马士革,后在耶路撒冷和犹太全地,以及外邦,劝勉他们应当悔改归向 神,行事与悔改的心相称。
fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
因此,犹太人在殿里拿住我,想要杀我。
Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
然而我蒙 神的帮助,直到今日还站得住,对著尊贵、卑贱、老幼作见证;所讲的并不外乎众先知和摩西所说将来必成的事,
Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
就是基督必须受害,并且因从死里复活,要首先把光明的道传给百姓和外邦人。
fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
保罗这样分诉,非斯都大声说:保罗,你癫狂了吧。你的学问太大,反叫你癫狂了!
Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
保罗说:非斯都大人,我不是癫狂,我说的乃是真实明白话。
Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.
王也晓得这些事,所以我向王放胆直言,我深信这些事没有一件向王隐藏的,因都不是在背地里做的。
Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.
亚基帕王啊,你信先知吗?我知道你是信的。
Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
亚基帕对保罗说:你想少微一劝,便叫我作基督徒啊(或作:你这样劝我,几乎叫我作基督徒了)!
Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
保罗说:无论是少劝是多劝,我向 神所求的,不但你一个人,就是今天一切听我的,都要像我一样,只是不要像我有这些锁鍊。
Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.
于是,王和巡抚并百尼基与同坐的人都起来,
Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
退到里面,彼此谈论说:这人并没有犯什么该死该绑的罪。
ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.
亚基帕又对非斯都说:这人若没有上告于凯撒,就可以释放了。
Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.