Acts 25

非斯都到了任,过了三天,就从凯撒利亚上耶路撒冷去。
Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
祭司长和犹太人的首领向他控告保罗,
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
又央告他,求他的情,将保罗提到耶路撒冷来,他们要在路上埋伏杀害他。
ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
非斯都却回答说:保罗押在凯撒利亚,我自己快要往那里去;
Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
又说:你们中间有权势的人与我一同下去,那人若有什么不是,就可以告他。
Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
非斯都在他们那里住了不过十天八天,就下凯撒利亚去;第二天坐堂,吩咐将保罗提上来。
Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
保罗来了,那些从耶路撒冷下来的犹太人周围站著,将许多重大的事控告他,都是不能证实的。
Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
保罗分诉说:无论犹太人的律法,或是圣殿,或是凯撒,我都没有干犯。
fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
但非斯都要讨犹太人的喜欢,就问保罗说:你愿意上耶路撒冷去,在那里听我审断这事吗?
Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
保罗说:我站在凯撒的堂前,这就是我应当受审的地方。我向犹太人并没有行过什么不义的事,这也是你明明知道的。
Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
我若行了不义的事,犯了什么该死的罪,就是死,我也不辞。他们所告我的事若都不实,就没有人可以把我交给他们。我要上告于凯撒。
Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
非斯都和议会商量了,就说:你既上告于凯撒,可以往凯撒那里去。
Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
过了些日子,亚基帕王和百尼基氏来到凯撒利亚,问非斯都安。
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
在那里住了多日,非斯都将保罗的事告诉王,说:这里有一个人,是腓力斯留在监里的。
Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
我在耶路撒冷的时候,祭司长和犹太的长老将他的事禀报了我,求我定他的罪。
koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
我对他们说,无论什么人,被告还没有和原告对质,未得机会分诉所告他的事,就先定他的罪,这不是罗马人的条例。
Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy.
及至他们都来到这里,我就不耽延,第二天便坐堂,吩咐把那人提上来。
Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
告他的人站著告他;所告的,并没有我所逆料的那等恶事。
Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
不过是有几样辩论,为他们自己敬鬼神的事,又为一个人名叫耶稣,是已经死了,保罗却说他是活著的。
fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
这些事当怎样究问,我心里作难,所以问他说:你愿意上耶路撒冷去,在那里为这些事听审吗?
Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,
但保罗求我留下他,要听皇上审断,我就吩咐把他留下,等我解他到凯撒那里去。
Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
亚基帕对非斯都说:我自己也愿听这人辩论。非斯都说:明天你可以听。
Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.
第二天,亚基帕和百尼基大张威势而来,同著众千夫长和城里的尊贵人进了公厅。非斯都吩咐一声,就有人将保罗带进来。
Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
非斯都说:亚基帕王和在这里的诸位啊,你们看这人,就是一切犹太人,在耶路撒冷和这里,曾向我恳求、呼叫说:不可容他再活著。
Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
但我查明他没有犯什么该死的罪,并且他自己上告于皇帝,所以我定意把他解去。
Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
论到这人,我没有确实的事可以奏明主上。因此,我带他到你们面前,也特意带他到你亚基帕王面前,为要在查问之后有所陈奏。
Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
据我看来,解送囚犯,不指明他的罪案是不合理的。
Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.