Acts 19

亚波罗在哥林多的时候,保罗经过了上边一带地方,就来到以弗所;在那里遇见几个门徒,
Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
问他们说:你们信的时候受了圣灵没有?他们回答说:没有,也未曾听见有圣灵赐下来。
ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
保罗说:这样,你们受的是什么洗呢?他们说:是约翰的洗。
Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
保罗说:约翰所行的是悔改的洗,告诉百姓当信那在他以后要来的,就是耶稣。
Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
他们听见这话,就奉主耶稣的名受洗。
Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
保罗按手在他们头上,圣灵便降在他们身上,他们就说方言,又说预言(或作:又讲道)
Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
一共约有十二个人。
Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
保罗进会堂,放胆讲道,一连三个月,辩论 神国的事,劝化众人。
Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
后来,有些人心里刚硬不信,在众人面前毁谤这道,保罗就离开他们,也叫门徒与他们分离,便在推喇奴的学房天天辩论。
Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
这样有两年之久,叫一切住在亚细亚的,无论是犹太人,是希腊人,都听见主的道。
Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.
 神借保罗的手行了些非常的奇事;
Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
甚至有人从保罗身上拿手巾或围裙放在病人身上,病就退了,恶鬼也出去了。
ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
那时,有几个游行各处、念咒赶鬼的犹太人,向那被恶鬼附的人擅自称主耶稣的名,说:我奉保罗所传的耶稣勒令你们出来!
Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
做这事的,有犹太祭司长士基瓦的七个儿子。
Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
恶鬼回答他们说:耶稣我认识,保罗我也知道。你们却是谁呢?
Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
恶鬼所附的人就跳在他们身上,胜了其中二人,制伏他们,叫他们赤著身子受了伤,从那房子里逃出去了。
Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
凡住在以弗所的,无论是犹太人,是希腊人,都知道这事,也都惧怕;主耶稣的名从此就尊大了。
Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
那已经信的,多有人来承认诉说自己所行的事。
Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
平素行邪术的,也有许多人把书拿来,堆积在众人面前焚烧。他们算计书价,便知道共合五万块钱。
Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
主的道大大兴旺,而且得胜,就是这样。
Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
这些事完了,保罗心里定意经过了马其顿、亚该亚,就往耶路撒冷去;又说:我到了那里以后,也必须往罗马去看看。
Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
于是从帮助他的人中打发提摩太、以拉都二人往马其顿去,自己暂时等在亚细亚。
Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
那时,因为这道起的扰乱不小。
Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany.
有一个银匠,名叫底米丢,是制造亚底米神银龛的,他使这样手艺人生意发达。
Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
他聚集他们和同行的工人,说:众位,你们知道我们是倚靠这生意发财。
ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
这保罗不但在以弗所,也几乎在亚细亚全地,引诱迷惑许多人,说:人手所做的,不是神。这是你们所看见所听见的。
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
这样,不独我们这事业被人藐视,就是大女神亚底米的庙也要被人轻忽,连亚细亚全地和普天下所敬拜的大女神之威荣也要消灭了。
Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
众人听见,就怒气填胸,喊著说:大哉,以弗所人的亚底米啊!
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
满城都轰动起来。众人拿住与保罗同行的马其顿人该犹和亚里达古,齐心拥进戏园里去。
Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
保罗想要进去,到百姓那里,门徒却不许他去。
Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
还有亚细亚几位首领,是保罗的朋友,打发人来劝他,不要冒险到戏园里去。
Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
聚集的人纷纷乱乱,有喊叫这个的,有喊叫那个的,大半不知道是为什么聚集。
Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
有人把亚力山大从众人中带出来,犹太人推他往前,亚力山大就摆手,要向百姓分诉;
Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
只因他们认出他是犹太人,就大家同声喊著说:大哉!以弗所人的亚底米啊。如此约有两小时。
Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
那城里的书记安抚了众人,就说:以弗所人哪,谁不知道以弗所人的城是看守大亚底米的庙和从丢斯那里落下来的像呢?
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera?
这事既是驳不倒的,你们就当安静,不可造次。
Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
你们把这些人带来,他们并没有偷窃庙中之物,也没有谤讟我们的女神。
Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
若是底米丢和他同行的人有控告人的事,自有放告的日子(或作:自有公堂),也有方伯可以彼此对告。
Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
你们若问别的事,就可以照常例聚集断定。
Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
今日的扰乱本是无缘无故,我们难免被查问。论到这样聚众,我们也说不出所以然来。
Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
说了这话,便叫众人散去。
Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.