Acts 15

有几个人从犹太下来,教训弟兄们说:你们若不按摩西的规条受割礼,不能得救。
Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
保罗、巴拿巴与他们大大的纷争辩论;众门徒就定规,叫保罗、巴拿巴和本会中几个人,为所辩论的,上耶路撒冷去见使徒和长老。
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
于是教会送他们起行。他们经过腓尼基、撒马利亚,随处传说外邦人归主的事,叫众弟兄都甚欢喜。
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
到了耶路撒冷,教会和使徒并长老都接待他们,他们就述说 神同他们所行的一切事。
Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy.
惟有几个信徒、是法利赛教门的人,起来说:必须给外邦人行割礼,吩咐他们遵守摩西的律法。
Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
使徒和长老聚会商议这事;
Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
辩论已经多了,彼得就起来,说:诸位弟兄,你们知道 神早已在你们中间拣选了我,叫外邦人从我口中得听福音之道,而且相信。
Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
知道人心的 神也为他们作了见证,赐圣灵给他们,正如给我们一样;
Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
又借著信洁净了他们的心,并不分他们我们。
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
现在为什么试探 神,要把我们祖宗和我们所不能负的轭放在门徒的颈项上呢?
Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
我们得救乃是因主耶稣的恩,和他们一样,这是我们所信的。
Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
众人都默默无声,听巴拿巴和保罗述说 神借他们在外邦人中所行的神迹奇事。
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
他们住了声,雅各就说:诸位弟兄,请听我的话。
Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
方才西门述说 神当初怎样眷顾外邦人,从他们中间选取百姓归于自己的名下;
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
众先知的话也与这意思相合。
Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
正如经上所写的:此后,我要回来,重新修造大卫倒塌的帐幕,把那破坏的重新修造建立起来,
Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
叫余剩的人,就是凡称为我名下的外邦人,都寻求主。
Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
这话是从创世以来,显明这事的主说的。
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
所以据我的意见,不可难为那归服 神的外邦人;
Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;
只要写信,吩咐他们禁戒偶像的污秽和奸淫,并勒死的牲畜和血。
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
因为从古以来,摩西的书在各城有人传讲,每逢安息日,在会堂里诵读。
Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
那时,使徒和长老并全教会定意从他们中间拣选人,差他们和保罗、巴拿巴同往安提阿去;所拣选的就是称呼巴撒巴的犹大和西拉。这两个人在弟兄中是作首领的。
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;
于是写信交付他们,内中说:使徒和作长老的弟兄们问安提阿、叙利亚、基利家外邦众弟兄的安。
ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
我们听说,有几个人从我们这里出去,用言语搅扰你们,惑乱你们的心。(有古卷在此有:你们必须受割礼,守摩西的律法。)其实我们并没有吩咐他们。
Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
所以,我们同心定意,拣选几个人,差他们同我们所亲爱的巴拿巴和保罗往你们那里去。
dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
这二人是为我主耶稣基督的名不顾性命的。
lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
我们就差了犹大和西拉,他们也要亲口诉说这些事。
Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
因为圣灵和我们定意不将别的重担放在你们身上;惟有几件事是不可少的,
Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
就是禁戒祭偶像的物和血,并勒死的牲畜和奸淫。这几件你们若能自己禁戒不犯就好了。愿你们平安!
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
他们既奉了差遣,就下安提阿去,聚集众人,交付书信。
Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
众人念了,因为信上安慰的话就欢喜了。
Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
犹大和西拉也是先知,就用许多话劝勉弟兄,坚固他们。
Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
住了些日子,弟兄们打发他们平平安安的回到差遣他们的人那里去。(有古卷在此有:
Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
惟有西拉定意仍住在那里。)
但保罗和巴拿巴仍住在安提阿,和许多别人一同教训人,传主的道。
过了些日子,保罗对巴拿巴说:我们可以回到从前宣传主道的各城,看望弟兄们景况如何。
巴拿巴有意要带称呼马可的约翰同去;
但保罗因为马可从前在旁非利亚离开他们,不和他们同去做工,就以为不可带他去。
于是二人起了争论,甚至彼此分开。巴拿巴带著马可,坐船往塞浦路斯去;
保罗拣选了西拉,也出去,蒙弟兄们把他交于主的恩中。
他就走遍叙利亚、基利家,坚固众教会。