II Thessalonians 1

保罗、西拉、提摩太写信给帖撒罗尼迦在 神我们的父与主耶稣基督里的教会。
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
愿恩惠、平安从父 神和主耶稣基督归与你们!
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
弟兄们,我们该为你们常常感谢 神,这本是合宜的;因你们的信心格外增长,并且你们众人彼此相爱的心也都充足。
Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
甚至我们在 神的各教会里为你们夸口,都因你们在所受的一切逼迫患难中,仍旧存忍耐和信心。
ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo-
这正是 神公义判断的明证,叫你们可算配得 神的国;你们就是为这国受苦。
famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
 神既是公义的,就必将患难报应那加患难给你们的人;
fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
也必使你们这受患难的人与我们同得平安。那时,主耶稣同他有能力的天使从天上在火焰中显现,
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
要报应那不认识 神和那不听从我主耶稣福音的人。
amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
他们要受刑罚,就是永远沉沦,离开主的面和他权能的荣光。
dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
这正是主降临、要在他圣徒的身上得荣耀,又在一切信的人身上显为希奇的那日子。(我们对你们作的见证,你们也信了。)
raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
因此,我们常为你们祷告,愿我们的 神看你们配得过所蒙的召,又用大能成就你们一切所羨慕的良善和一切因信心所做的工夫;
Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana,
叫我们主耶稣的名在你们身上得荣耀,你们也在他身上得荣耀,都照著我们的 神并主耶稣基督的恩。
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.