II Samuel 9

大卫问说:「扫罗家还有剩下的人没有?我要因约拿单的缘故向他施恩。」
Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
扫罗家有一个仆人,名叫洗巴,有人叫他来见大卫,王问他说:「你是洗巴吗?」回答说:「仆人是。」
Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
王说:「扫罗家还有人没有?我要照 神的慈爱恩待他。」洗巴对王说:「还有约拿单的一个儿子,是瘸腿的。」
Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
王说:「他在哪里?」洗巴对王说:「他在罗底巴,亚米利的儿子玛吉家里。」
Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
于是大卫王打发人去,从罗底巴亚米利的儿子玛吉家里召了他来。
Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara.
扫罗的孙子、约拿单的儿子米非波设来见大卫,伏地叩拜。大卫说:「米非波设!」米非波设说:「仆人在此。」
Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
大卫说:「你不要惧怕,我必因你父亲约拿单的缘故施恩与你,将你祖父扫罗的一切田地都归还你;你也可以常与我同席吃饭。」
Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
米非波设又叩拜,说:「仆人算什么,不过如死狗一般,竟蒙王这样眷顾!」
Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
王召了扫罗的仆人洗巴来,对他说:「我已将属扫罗和他的一切家产都赐给你主人的儿子了。
Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao.
你和你的众子、仆人要为你主人的儿子米非波设耕种田地,把所产的拿来供他食用;他却要常与我同席吃饭。」洗巴有十五个儿子,二十个仆人。
Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
洗巴对王说:「凡我主我王吩咐仆人的,仆人都必遵行。」王又说:「米非波设必与我同席吃饭,如王的儿子一样。」
Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
米非波设有一个小儿子,名叫米迦。凡住在洗巴家里的人都作了米非波设的仆人。
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
于是米非波设住在耶路撒冷,常与王同席吃饭。他两腿都是瘸的。
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.