II Samuel 8

此后,大卫攻打非利士人,把他们治服,从他们手下夺取了京城的权柄(原文是母城的嚼环);
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
又攻打摩押人,使他们躺卧在地上,用绳量一量:量二绳的杀了,量一绳的存留。摩押人就归服大卫,给他进贡。
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
琐巴王利合的儿子哈大底谢往大河去,要夺回他的国权。大卫就攻打他,
Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
擒拿了他的马兵一千七百,步兵二万,将拉战车的马砍断蹄筋,但留下一百辆车的马。
Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
大马士革的亚兰人来帮助琐巴王哈大底谢,大卫就杀了亚兰人二万二千。
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
于是大卫在大马士革的亚兰地设立防营,亚兰人就归服他,给他进贡。大卫无论往哪里去,耶和华都使他得胜。
Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
他夺了哈大底谢臣仆所拿的金盾牌,带到耶路撒冷。
Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
大卫王又从属哈大底谢的比他和比罗他城中夺取了许多的铜。
Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
哈马王陀以听见大卫杀败哈大底谢的全军,
Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida,
就打发他儿子约兰去见大卫王,问他的安,为他祝福,因为他杀败了哈大底谢(原来陀以与哈大底谢常常争战)。约兰带了金银铜的器皿来,
dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
大卫王将这些器皿和他治服各国所得来的金银都分别为圣,献给耶和华,
dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,
就是从亚兰、摩押、亚扪、非利士、亚玛力人所得来的,以及从琐巴王利合的儿子哈大底谢所掠之物。
dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
大卫在盐谷击杀了亚兰(或译:以东,见诗篇六十篇诗题)一万八千人回来,就得了大名;
Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny Lohasahan-tsira.
又在以东全地设立防营,以东人就都归服大卫。大卫无论往哪里去,耶和华都使他得胜。
Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
大卫作以色列众人的王,又向众民秉公行义。
Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
洗鲁雅的儿子约押作元帅;亚希律的儿子约沙法作史官;
Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
亚希突的儿子撒督和亚比亚他的儿子亚希米勒作祭司长;西莱雅作书记;
ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;
耶何耶大的儿子比拿雅统辖基利提人和比利提人。大卫的众子都作领袖。
ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina.