II Samuel 23

以下是大卫末了的话。耶西的儿子大卫得居高位,是雅各 神所膏的,作以色列的美歌者,说:
Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:
耶和华的灵借著我说:他的话在我口中。
Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako;
以色列的 神、以色列的磐石晓谕我说:那以公义治理人民的,敬畏 神执掌权柄,
Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra;
他必像日出的晨光,如无云的清晨,雨后的晴光,使地发生嫩草。
Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana.
我家在 神面前并非如此; 神却与我立永远的约。这约凡事坚稳,关乎我的一切救恩和我一切所想望的,他岂不为我成就吗?
Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
但匪类都必像荆棘被丢弃;人不敢用手拿它;
Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy;
拿它的人必带铁器和枪杆,终久它必被火焚烧。
Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.
大卫勇士的名字记在下面:他革扪人约设巴设,又称伊斯尼人亚底挪,他是军长的统领,一时击杀了八百人。
Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
其次是亚合人朵多的儿子以利亚撒。从前非利士人聚集要打仗,以色列人迎著上去,有跟随大卫的三个勇士向非利士人骂阵,其中有以利亚撒。
Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;
他起来击杀非利士人,直到手臂疲乏,手黏住刀把。那日耶和华使以色列人大获全胜;众民在以利亚撒后头专夺财物。
dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
其次是哈拉人亚基的儿子沙玛。一日,非利士人聚集成群,在一块长满红豆的田里,众民就在非利士人面前逃跑。
Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
沙玛却站在那田间击杀非利士人,救护了那田。耶和华使以色列人大获全胜。
dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
收割的时候,有三十个勇士中的三个人下到亚杜兰洞见大卫。非利士的军兵在利乏音谷安营。
Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
那时大卫在山寨,非利士人的防营在伯利恒。
Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
大卫渴想,说:「甚愿有人将伯利恒城门旁、井里的水打来给我喝。」
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
这三个勇士就闯过非利士人的营盘,从伯利恒城门旁的井里打水,拿来奉给大卫。他却不肯喝,将水奠在耶和华面前,
Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
说:「耶和华啊,这三个人冒死去打水;这水好像他们的血一般,我断不敢喝。」如此,大卫不肯喝。这是三个勇士所做的事。
Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
洗鲁雅的儿子、约押的兄弟亚比筛是这三个勇士的首领;他举枪杀了三百人,就在三个勇士里得了名。
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
他在这三个勇士里是最尊贵的,所以作他们的首领,只是不及前三个勇士。
Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
有甲薛勇士耶何耶大的儿子比拿雅行过大能的事;他杀了摩押人亚利伊勒的两个儿子,又在下雪的时候下坑里去,杀了一个狮子,
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;
又杀了一个强壮的埃及人;埃及人手里拿著枪,比拿雅只拿著棍子下去,从埃及人手里夺过枪来,用那枪将他杀死。
ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
这是耶何耶大的儿子比拿雅所行的事,就在三个勇士里得了名。
Izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
他比那三十个勇士都尊贵,只是不及前三个勇士。大卫立他作护卫长。
Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
三十个勇士里有约押的兄弟亚撒黑,伯利恒人朵多的儿子伊勒哈难,
Asahela, rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
哈律人沙玛,哈律人以利加,
Sama Harodita, Elika Harodita,
帕勒提人希利斯,提哥亚人益吉的儿子以拉,
Heleza Paltita, Ira, zanak'Ikesy Tekoita,
亚拿突人亚比以谢,户沙人米本乃,
Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
亚合人撒们,尼陀法人玛哈莱,
Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
尼陀法人巴拿的儿子希立,便雅悯族、基比亚人利拜的儿子以太,
Haleba, zanak'i Bana Netofatita, Itahy, zanak'i Ribay, avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina,
比拉顿人比拿雅,迦实溪人希太,
Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,
伯亚拉巴人亚比亚本,巴鲁米人押斯玛弗,
Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
沙本人以利雅哈巴,雅善儿子中的约拿单,
Eliaba Salbonita, tamin'ny zanak'i Jasena, Jonatana,
哈拉人沙玛,哈拉人沙拉的儿子亚希暗,
Sama Hararita, Ahiama, zanak'i Sarara Hararita,
玛迦人亚哈拜的儿子以利法列,基罗人亚希多弗的儿子以连,
Elifeleta, zanak'i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak'i Ahitofela Gilonita,
迦密人希斯莱,亚巴人帕莱,
Hezray Karmelita, Paray Arbita,
琐巴人拿单的儿子以甲,迦得人巴尼,
Jigala, zanak'i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
亚扪人洗勒,比录人拿哈莱(是给洗鲁雅的儿子约押拿兵器的),
Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
以帖人以拉,以帖人迦立,
Ira Jitrita, Gareba Jitrita,
赫人乌利亚,共有三十七人。
Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.