II Samuel 22

当耶和华救大卫脱离一切仇敌和扫罗之手的日子,他向耶和华念这诗,
Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,
说:耶和华是我的巖石,我的山寨,我的救主,
ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
我的 神,我的磐石,我所投靠的。他是我的盾牌,是拯救我的角,是我的高台,是我的避难所。我的救主啊,你是救我脱离强暴的。
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.
我要求告当讚美的耶和华,这样,我必从仇敌手中被救出来。
Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
曾有死亡的波浪环绕我,匪类的急流使我惊惧,
Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
阴间的绳索缠绕我,死亡的网罗临到我。
Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
我在急难中求告耶和华,向我的 神呼求。他从殿中听了我的声音;我的呼求入了他的耳中。
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
那时因他发怒,地就摇撼战抖;天的根基也震动摇撼。
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
从他鼻孔冒烟上腾;从他口中发火焚烧,连炭也著了。
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
他又使天下垂,亲自降临;有黑云在他脚下。
Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
他坐著基路伯飞行,在风的翅膀上显现。
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.
他以黑暗和聚集的水、天空的厚云为他四围的行宫。
Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
因他面前的光辉炭都著了。
Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
耶和华从天上打雷;至高者发出声音。
Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
他射出箭来,使仇敌四散,发出闪电,使他们扰乱。
Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
耶和华的斥责一发,鼻孔的气一出,海底就出现,大地的根基也显露。
Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.
他从高天伸手抓住我,把我从大水中拉上来。
Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.
他救我脱离我的劲敌和那些恨我的人,因为他们比我强盛。
Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
我遭遇灾难的日子,他们来攻击我;但耶和华是我的倚靠。
Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
他又领我到宽阔之处;他救拔我,因他喜悦我。
Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
耶和华按著我的公义报答我,按著我手中的清洁赏赐我。
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
因为我遵守了耶和华的道,未曾作恶离开我的 神。
Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
他的一切典章常在我面前;他的律例,我也未曾离弃。
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
我在他面前作了完全人;我也保守自己远离我的罪孽。
Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
所以耶和华按我的公义,按我在他眼前的清洁赏赐我。
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
慈爱的人,你以慈爱待他;完全的人,你以完全待他;
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
清洁的人,你以清洁待他;乖僻的人,你以弯曲待他。
Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
困苦的百姓,你必拯救;但你的眼目察看高傲的人,使他降卑。
Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
耶和华啊,你是我的灯;耶和华必照明我的黑暗。
Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
我借著你冲入敌军,借著我的 神跳过墙垣。
Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
至于 神,他的道是完全的;耶和华的话是炼净的。凡投靠他的,他便作他们的盾牌。
Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
除了耶和华,谁是 神呢?除了我们的 神,谁是磐石呢?
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
 神是我坚固的保障;他引导完全人行他的路。
Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.
他使我的脚快如母鹿的蹄,又使我在高处安稳。
Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.
他教导我的手能以争战,甚至我的膀臂能开铜弓。
Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
你把你的救恩给我作盾牌;你的温和使我为大。
Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
你使我脚下的地步宽阔;我的脚未曾滑跌。
Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
我追赶我的仇敌,灭绝了他们,未灭以先,我没有归回。
Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
我灭绝了他们,打伤了他们,使他们不能起来;他们都倒在我的脚下。
Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
因为你曾以力量束我的腰,使我能争战;你也使那起来攻击我的都服在我以下。
Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
你又使我的仇敌在我面前转背逃跑,叫我能以剪除那恨我的人。
Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
他们仰望,却无人拯救;就是呼求耶和华,他也不应允。
Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
我捣碎他们,如同地上的灰尘,践踏他们,四散在地,如同街上的泥土。
Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
你救我脱离我百姓的争竞,保护我作列国的元首;我素不认识的民必事奉我。
Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
外邦人要投降我,一听见我的名声就必顺从我。
Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
外邦人要衰残,战战兢兢地出他们的营寨。
Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
耶和华是活 神,愿我的磐石被人称颂!愿 神─那拯救我的磐石被人尊崇!
Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
这位 神就是那为我伸冤、使众民服在我以下的。
Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
你救我脱离仇敌,又把我举起,高过那些起来攻击我的;你救我脱离强暴的人。
Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
耶和华啊,因此我要在外邦中称谢你,歌颂你的名。
Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
耶和华赐极大的救恩给他所立的王,施慈爱给他的受膏者,就是给大卫和他的后裔,直到永远!
Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.