II Samuel 2

此后,大卫问耶和华说:「我上犹大的一个城去可以吗?」耶和华说:「可以。」大卫说:「我上哪一个城去呢?」耶和华说:「上希伯崙去。」
Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
于是大卫和他的两个妻─一个是耶斯列人亚希暖,一个是作过迦密人拿八妻的亚比该─都上那里去了。
Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
大卫也将跟随他的人和他们各人的眷属一同带上去,住在希伯崙的城邑中。
Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
犹大人来到希伯崙,在那里膏大卫作犹大家的王。有人告诉大卫说:「葬埋扫罗的是基列‧雅比人。」
Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
大卫就差人去见基列‧雅比人,对他们说:「你们厚待你们的主─扫罗,将他葬埋。愿耶和华赐福与你们!
Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.
你们既行了这事,愿耶和华以慈爱诚实待你们,我也要为此厚待你们。
Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
现在你们的主─扫罗死了,犹大家已经膏我作他们的王,所以你们要刚强奋勇。」
Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.
扫罗的元帅尼珥的儿子押尼珥,曾将扫罗的儿子伊施波设带过河,到玛哈念,
Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
立他作王,治理基列、亚书利、耶斯列、以法莲、便雅悯,和以色列众人。
dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
扫罗的儿子伊施波设登基的时候年四十岁,作以色列王二年;惟独犹大家归从大卫。
(Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.
大卫在希伯崙作犹大家的王,共七年零六个月。
Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
尼珥的儿子押尼珥和扫罗的儿子伊施波设的仆人从玛哈念出来,往基遍去。
Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
洗鲁雅的儿子约押和大卫的仆人也出来,在基遍池旁与他们相遇;一班坐在池这边,一班坐在池那边。
Ary Joaba, zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy.
押尼珥对约押说:「让少年人起来,在我们面前戏耍吧!」约押说:「可以。」
Ary hoy Abnera tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
就按著定数起来:属扫罗儿子伊施波设的便雅悯人过去十二名,大卫的仆人也过去十二名,
Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.
彼此揪头,用刀刺肋,一同仆倒。所以,那地叫作希利甲‧哈素林,就在基遍。
Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
那日的战事凶猛,押尼珥和以色列人败在大卫的仆人面前。
Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
在那里有洗鲁雅的三个儿子:约押、亚比筛、亚撒黑。亚撒黑脚快如野鹿一般;
Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
亚撒黑追赶押尼珥,直追赶他不偏左右。
Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
押尼珥回头说:「你是亚撒黑吗?」回答说:「是。」
Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
押尼珥对他说:「你或转向左转向右,拿住一个少年人,剥去他的战衣。」亚撒黑却不肯转开不追赶他。
Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
押尼珥又对亚撒黑说:「你转开不追赶我吧!我何必杀你呢?若杀你,有什么脸见你哥哥约押呢?」
Ary hoy indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i Joaba rahalahinao?
亚撒黑仍不肯转开。故此,押尼珥就用枪鐏刺入他的肚腹,甚至枪从背后透出,亚撒黑就在那里仆倒而死。众人赶到亚撒黑仆倒而死的地方,就都站住。
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
约押和亚比筛追赶押尼珥,日落的时候,到了通基遍旷野的路旁,基亚对面的亚玛山。
Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro.
便雅悯人聚集,跟随押尼珥站在一个山顶上。
Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.
押尼珥呼叫约押说:「刀剑岂可永远杀人吗?你岂不知终久必有苦楚吗?你要等何时才叫百姓回去、不追赶弟兄呢?」
Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
约押说:「我指著永生的 神起誓:你若不说戏耍的那句话,今日早晨百姓就回去,不追赶弟兄了。」
Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
于是约押吹角,众民就站住,不再追赶以色列人,也不再打仗了。
Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
押尼珥和跟随他的人整夜经过亚拉巴,过约旦河,走过毕伦,到了玛哈念。
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
约押追赶押尼珥回来,聚集众民,见大卫的仆人中缺少了十九个人和亚撒黑。
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.
但大卫的仆人杀了便雅悯人和跟随押尼珥的人,共三百六十名。
Fa ny mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny olon'i Abnera.
众人将亚撒黑送到伯利恒,葬在他父亲的坟墓里。约押和跟随他的人走了一夜,天亮的时候到了希伯崙。
Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.