II Peter 1

作耶稣基督仆人和使徒的西门。彼得写信给那因我们的 神和(有古卷没有和字)救主耶稣基督之义,与我们同得一样宝贵信心的人。
Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:
愿恩惠、平安,因你们认识 神和我们主耶稣,多多的加给你们。
hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
 神的神能已将一切关乎生命和虔敬的事赐给我们,皆因我们认识那用自己荣耀和美德召我们的主。
Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany;
因此,他已将又宝贵又极大的应许赐给我们,叫我们既脱离世上从情欲来的败坏,就得与 神的性情有分。
ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
正因这缘故,你们要分外地殷勤;有了信心,又要加上德行;有了德行,又要加上知识;
koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
有了知识,又要加上节制;有了节制,又要加上忍耐;有了忍耐,又要加上虔敬;
ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
有了虔敬,又要加上爱弟兄的心;有了爱弟兄的心,又要加上爱众人的心;
ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
你们若充充足足的有这几样,就必使你们在认识我们的主耶稣基督上不至于闲懒不结果子了。
Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
人若没有这几样,就是眼瞎,只看见近处的,忘了他旧日的罪已经得了洁净。
Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.
所以弟兄们,应当更加殷勤,使你们所蒙的恩召和拣选坚定不移。你们若行这几样,就永不失脚。
Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
这样,必叫你们丰丰富富的得以进入我们主─救主耶稣基督永远的国。
fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
你们虽然晓得这些事,并且在你们已有的真道上坚固,我却要将这些事常常提醒你们。
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
我以为应当趁我还在这帐棚的时候提醒你们,激发你们。
Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
因为知道我脱离这帐棚的时候快到了,正如我们主耶稣基督所指示我的。
satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
并且,我要尽心竭力,使你们在我去世以后时常记念这些事。
Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
我们从前将我们主耶稣基督的大能和他降临的事告诉你们,并不是随从乖巧捏造的虚言,乃是亲眼见过他的威荣。
Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
他从父 神得尊贵荣耀的时候,从极大荣光之中有声音出来,向他说:「这是我的爱子,我所喜悦的。」
Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
我们同他在圣山的时候,亲自听见这声音从天上出来。
Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
我们并有先知更确的预言,如同灯照在暗处。你们在这预言上留意,直等到天发亮,晨星在你们心里出现的时候,才是好的。
Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
第一要紧的,该知道经上所有的预言没有可随私意解说的;
fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
因为预言从来没有出于人意的,乃是人被圣灵感动,说出 神的话来。
fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.