II Kings 7

以利沙说:「你们要听耶和华的话,耶和华如此说:明日约到这时候,在撒马利亚城门口,一细亚细面要卖银一舍客勒,二细亚大麦也要卖银一舍客勒。」
Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.
有一个搀扶王的军长对神人说:「即便耶和华使天开了窗户,也不能有这事。」以利沙说:「你必亲眼看见,却不得吃。」
Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
在城门那里有四个长大痲疯的人,他们彼此说:「我们为何坐在这里等死呢?
Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
我们若说,进城去吧!城里有饥荒,必死在那里;若在这里坐著不动,也必是死。来吧,我们去投降亚兰人的军队,他们若留我们的活命,就活著;若杀我们,就死了吧!」
Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
黄昏的时候,他们起来往亚兰人的营盘去;到了营边,不见一人在那里。
Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
因为主使亚兰人的军队听见车马的声音,是大军的声音;他们就彼此说:「这必是以色列王贿买赫人的诸王和埃及人的诸王来攻击我们。」
Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady amintsika.
所以,在黄昏的时候他们起来逃跑,撇下帐棚、马、驴,营盘照旧,只顾逃命。
Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
那些长大痲疯的到了营边,进了帐棚,吃了喝了,且从其中拿出金银和衣服来,去收藏了;回来又进了一座帐棚,从其中拿出财物来去收藏了。
Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
那时,他们彼此说:「我们所做的不好!今日是有好信息的日子,我们竟不作声!若等到天亮,罪必临到我们。来吧,我们与王家报信去!」
Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
他们就去叫守城门的,告诉他们说:「我们到了亚兰人的营,不见一人在那里,也无人声,只有拴著的马和驴,帐棚都照旧。」
Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
守城门的叫了众守门的人来,他们就进去与王家报信。
Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny mpanjaka.
王夜间起来,对臣仆说:「我告诉你们亚兰人向我们如何行。他们知道我们饥饿,所以离营,埋伏在田野,说:『以色列人出城的时候,我们就活捉他们,得以进城。』」
Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
有一个臣仆对王说:「我们不如用城里剩下之马中的五匹马(马和城里剩下的以色列人都是一样,快要灭绝),打发人去窥探。」
Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
于是取了两辆车和马,王差人去追寻亚兰军,说:「你们去窥探窥探。」
Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
他们就追寻到约旦河,看见满道上都是亚兰人急跑时丢弃的衣服器具,使者就回来报告王。
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
众人就出去,掳掠亚兰人的营盘。于是一细亚细面卖银一舍客勒,二细亚大麦也卖银一舍客勒,正如耶和华所说的。
Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
王派搀扶他的那军长在城门口弹压,众人在那里将他践踏,他就死了,正如神人在王下来见他的时候所说的。
Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
神人曾对王说:「明日约到这时候,在撒马利亚城门口,二细亚大麦要卖银一舍客勒,一细亚细面也要卖银一舍客勒。」
Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;
那军长对神人说:「即便耶和华使天开了窗户,也不能有这事。」神人说:「你必亲眼看见,却不得吃。」
ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
这话果然应验在他身上;因为众人在城门口将他践踏,他就死了。
Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.