II Kings 23

王差遣人招聚犹大和耶路撒冷的众长老来。
Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra.
王和犹大众人与耶路撒冷的居民,并祭司、先知,和所有的百姓,无论大小,都一同上到耶和华的殿;王就把耶和华殿里所得的约书念给他们听。
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
王站在柱旁,在耶和华面前立约,要尽心尽性地顺从耶和华,遵守他的诫命、法度、律例,成就这书上所记的约言。众民都服从这约。
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
王吩咐大祭司希勒家和副祭司,并把门的,将那为巴力和亚舍拉,并天上万象所造的器皿,都从耶和华殿里搬出来,在耶路撒冷外汲沦溪旁的田间烧了,把灰拿到伯特利去。
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
从前犹大列王所立拜偶像的祭司,在犹大城邑的邱坛和耶路撒冷的周围烧香,现在王都废去,又废去向巴力和日、月、行星【或作十二宫】,并天上万象烧香的人;
Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.
又从耶和华殿里将亚舍拉搬到耶路撒冷外汲沦溪边焚烧,打碎成灰,将灰撒在平民的坟上;
Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
又拆毁耶和华殿里娈童的屋子,就是妇女为亚舍拉织帐子的屋子,
Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
并且从犹大的城邑带众祭司来,污秽祭司烧香的邱坛,从迦巴直到别是巴,又拆毁城门旁的邱坛,这邱坛在邑宰约书亚门前,进城门的左边。
Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
但是邱坛的祭司不登耶路撒冷耶和华的坛,只在他们弟兄中间吃无酵饼。
Fa ny mpisorona tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny rahalahiny ihany izy.
又污秽欣嫩子谷的陀斐特,不许人在那里使儿女经火献给摩洛;
Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
又将犹大列王在耶和华殿门旁、太监拿单米勒靠近游廊的屋子、向日头所献的马废去,且用火焚烧日车。
Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.
犹大列王在亚哈斯楼顶上所筑的坛和玛拿西在耶和华殿两院中所筑的坛,王都拆毁打碎了,就把灰倒在汲沦溪中。
Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
从前以色列王所罗门在耶路撒冷前、邪僻山右边为西顿人可憎的神亚斯她录、摩押人可憎的神基抹、亚扪人可憎的神米勒公所筑的邱坛,王都污秽了,
Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
又打碎柱像,砍下木偶,将人的骨头充满了那地方。
Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.
他将伯特利的坛,就是叫以色列人陷在罪里、尼八的儿子耶罗波安所筑的那坛,都拆毁焚烧,打碎成灰,并焚烧了亚舍拉。
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
约西亚回头,看见山上的坟墓,就打发人将坟墓里的骸骨取出来,烧在坛上,污秽了坛,正如从前神人宣传耶和华的话。
Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.
约西亚问说:「我所看见的是什么碑?」那城里的人回答说:「先前有神人从犹大来,预先说王现在向伯特利坛所行的事,这就是他的墓碑。」
Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
约西亚说:「由他吧!不要挪移他的骸骨。」他们就不动他的骸骨,也不动从撒马利亚来那先知的骸骨。
Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay mpaminany avy tany Samaria.
从前以色列诸王在撒马利亚的城邑建筑邱坛的殿,惹动耶和华的怒气,现在约西亚都废去了,就如他在伯特利所行的一般;
Ary ny trano rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
又将邱坛的祭司都杀在坛上,并在坛上烧人的骨头,就回耶路撒冷去了。
Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
王吩咐众民说:「你们当照这约书上所写的,向耶和华─你们的 神守逾越节。」
Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
自从士师治理以色列人和以色列王、犹大王的时候,直到如今,实在没有守过这样的逾越节;
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda;
只有约西亚王十八年在耶路撒冷向耶和华守这逾越节。
fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
凡犹大国和耶路撒冷所有交鬼的、行巫术的,与家中的神像和偶像,并一切可憎之物,约西亚尽都除掉,成就了祭司希勒家在耶和华殿里所得律法书上所写的话。
Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
在约西亚以前没有王像他尽心、尽性、尽力地归向耶和华,遵行摩西的一切律法;在他以后也没有兴起一个王像他。
Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
然而,耶和华向犹大所发猛烈的怒气仍不止息,是因玛拿西诸事惹动他。
Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
耶和华说:「我必将犹大人从我面前赶出,如同赶出以色列人一般;我必弃掉我从前所选择的这城─耶路撒冷和我所说立我名的殿。」
Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
约西亚其余的事,凡他所行的都写在犹大列王记上。
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
约西亚年间,埃及王法老尼哥上到伯拉河攻击亚述王;约西亚王去抵挡他。埃及王遇见约西亚在米吉多,就杀了他。
Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
他的臣仆用车将他的尸首从米吉多送到耶路撒冷,葬在他自己的坟墓里。国民膏约西亚的儿子约哈斯接续他父亲作王。
Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
约哈斯登基的时候年二十三岁,在耶路撒冷作王三个月。他母亲名叫哈慕他,是立拿人耶利米的女儿。
Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
约哈斯行耶和华眼中看为恶的事,效法他列祖一切所行的。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
法老尼哥将约哈斯锁禁在哈马地的利比拉,不许他在耶路撒冷作王,又罚犹大国银子一百他连得,金子一他连得。
Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
法老尼哥立约西亚的儿子以利亚敬接续他父亲约西亚作王,给他改名叫约雅敬,却将约哈斯带到埃及,他就死在那里。
Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
约雅敬将金银给法老,遵著法老的命向国民征取金银,按著各人的力量派定,索要金银,好给法老尼哥。
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
约雅敬登基的时候年二十五岁,在耶路撒冷作王十一年。他母亲名叫西布大,是鲁玛人毗大雅的女儿。
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.
约雅敬行耶和华眼中看为恶的事,效法他列祖一切所行的。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.