II Kings 22

约西亚登基的时候年八岁,在耶路撒冷作王三十一年。他母亲名叫耶底大,是波斯加人亚大雅的女儿。
Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
约西亚行耶和华眼中看为正的事,行他祖大卫一切所行的,不偏左右。
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
约西亚王十八年,王差遣米书兰的孙子、亚萨利的儿子─书记沙番上耶和华殿去,吩咐他说:
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
「你去见大祭司希勒家,使他将奉到耶和华殿的银子,就是守门的从民中收聚的银子,数算数算,
Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
交给耶和华殿里办事的人,使他们转交耶和华殿里做工的人,好修理殿的破坏之处,
ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,
就是转交木匠和工人,并瓦匠,又买木料和凿成的石头修理殿宇,
dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
将银子交在办事的人手里,不与他们算帐,因为他们办事诚实。
Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
大祭司希勒家对书记沙番说:「我在耶和华殿里得了律法书。」希勒家将书递给沙番,沙番就看了。
Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
书记沙番到王那里,回覆王说:「你的仆人已将殿里的银子倒出数算,交给耶和华殿里办事的人了。」
Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
书记沙番又对王说:「祭司希勒家递给我一卷书。」沙番就在王面前读那书。
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
王听见律法书上的话,便撕裂衣服,
Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
吩咐祭司希勒家与沙番的儿子亚希甘、米该亚的儿子亚革波、书记沙番和王的臣仆亚撒雅,说:
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
「你们去为我、为民、为犹大众人,以这书上的话求问耶和华;因为我们列祖没有听从这书上的言语,没有遵著书上所吩咐我们的去行,耶和华就向我们大发烈怒。」
Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
于是,祭司希勒家和亚希甘、亚革波、沙番、亚撒雅都去见女先知户勒大。户勒大是掌管礼服沙龙的妻;沙龙是哈珥哈斯的孙子、特瓦的儿子。户勒大住在耶路撒冷第二区。他们请问于她。
Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
她对他们说:「耶和华─以色列的 神如此说:『你们可以回覆那差遣你们来见我的人说,
Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
耶和华如此说:我必照著犹大王所读那书上的一切话,降祸与这地和其上的居民。
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
因为他们离弃我,向别神烧香,用他们手所做的惹我发怒,所以我的忿怒必向这地发作,总不止息。』
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
然而,差遣你们来求问耶和华的犹大王,你们要这样回覆他说:『耶和华─以色列的 神如此说:至于你所听见的话,
Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,
就是听见我指著这地和其上的居民所说、要使这地变为荒场、民受咒诅的话,你便心里敬服,在我面前自卑,撕裂衣服,向我哭泣,因此我应允了你。这是我─耶和华说的。
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
我必使你平平安安地归到坟墓到你列祖那里;我要降与这地的一切灾祸,你也不致亲眼看见。』」他们就回覆王去了。
Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.