II Kings 21

玛拿西登基的时候年十二岁,在耶路撒冷作王五十五年。他母亲名叫协西巴。
Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
玛拿西行耶和华眼中看为恶的事,效法耶和华在以色列人面前赶出的外邦人所行可憎的事。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
重新建筑他父希西家所毁坏的邱坛,又为巴力筑坛,做亚舍拉像,效法以色列王亚哈所行的,且敬拜事奉天上的万象;
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
在耶和华殿宇中筑坛。耶和华曾指著这殿说:「我必立我的名在耶路撒冷。」
sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
他在耶和华殿的两院中为天上的万象筑坛,
Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
并使他的儿子经火,又观兆,用法术,立交鬼的和行巫术的,多行耶和华眼中看为恶的事,惹动他的怒气;
Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
又在殿内立雕刻的亚舍拉像。耶和华曾对大卫和他儿子所罗门说:「我在以色列众支派中所选择的耶路撒冷和这殿,必立我的名,直到永远。
Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
以色列人若谨守遵行我一切所吩咐他们的和我仆人摩西所吩咐他们的一切律法,我就不再使他们挪移离开我所赐给他们列祖之地。」
Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
他们却不听从。玛拿西引诱他们行恶,比耶和华在以色列人面前所灭的列国更甚。
Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
耶和华借他仆人众先知说:
Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
「因犹大王玛拿西行这些可憎的恶事比先前亚摩利人所行的更甚,使犹大人拜他的偶像,陷在罪里;
Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
所以耶和华─以色列的 神如此说:我必降祸与耶路撒冷和犹大,叫一切听见的人无不耳鸣。
dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
我必用量撒马利亚的准绳和亚哈家的线铊拉在耶路撒冷上,必擦净耶路撒冷,如人擦盘,将盘倒扣。
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
我必弃掉所余剩的子民【原文作产业】,把他们交在仇敌手中,使他们成为一切仇敌掳掠之物;
Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,
是因他们自从列祖出埃及直到如今,常行我眼中看为恶的事,惹动我的怒气。
satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
玛拿西行耶和华眼中看为恶的事,使犹大人陷在罪里,又流许多无辜人的血,充满了耶路撒冷,从这边直到那边。
Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
玛拿西其余的事,凡他所行的和他所犯的罪都写在犹大列王记上。
Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
玛拿西与他列祖同睡,葬在自己宫院乌撒的园内;他儿子亚们接续他作王。
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
亚们登基的时候年二十二岁,在耶路撒冷作王二年。他母亲名叫米舒利密,是约提巴人哈鲁斯的女儿。
Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
亚们行耶和华眼中看为恶的事,与他父亲玛拿西所行的一样;
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
行他父亲一切所行的,敬奉他父亲所敬奉的偶像,
Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
离弃耶和华─他列祖的 神,不遵行耶和华的道。
Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
亚们王的臣仆背叛他,在宫里杀了他。
Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
但国民杀了那些背叛亚们王的人,立他儿子约西亚接续他作王。
Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
亚们其余所行的事都写在犹大列王记上。
Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
亚们葬在乌撒的园内自己的坟墓里。他儿子约西亚接续他作王。
Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.