II Kings 20

那时,希西家病得要死。亚摩斯的儿子先知以赛亚去见他,对他说:「耶和华如此说:『你当留遗命与你的家,因为你必死,不能活了。』」
Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
希西家就转脸朝墙,祷告耶和华说:
Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
「耶和华啊,求你记念我在你面前怎样存完全的心,按诚实行事,又做你眼中所看为善的。」希西家就痛哭了。
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
以赛亚出来,还没有到中院【院或作城】,耶和华的话就临到他,说:
Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「你回去告诉我民的君希西家说:耶和华─你祖大卫的 神如此说:『我听见了你的祷告,看见了你的眼泪,我必医治你;到第三日,你必上到耶和华的殿。
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
我必加增你十五年的寿数,并且我要救你和这城脱离亚述王的手。我为自己和我仆人大卫的缘故,必保护这城。』」
Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
以赛亚说:「当取一块无花果饼来。」人就取了来,贴在疮上,王便痊癒了。
Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
希西家问以赛亚说:「耶和华必医治我,到第三日,我能上耶和华的殿,有什么兆头呢?」
Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
以赛亚说:「耶和华必成就他所说的。这是他给你的兆头:你要日影向前进十度呢?是要往后退十度呢?」
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
希西家回答说:「日影向前进十度容易,我要日影往后退十度。」
Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
先知以赛亚求告耶和华,耶和就使亚哈斯的日晷向前进的日影,往后退了十度。
Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
那时,巴比伦王巴拉但的儿子比罗达•巴拉但听见希西家病而痊癒,就送书信和礼物给他。
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
希西家听从使者的话,就把他宝库的金子、银子、香料、贵重的膏油,和他武库的一切军器,并他所有的财宝,都给他们看。他家中和他全国之内,希西家没有一样不给他们看的。
Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
于是先知以赛亚来见希西家王,问他说:「这些人说什么?他们从哪里来见你?」希西家说:「他们从远方的巴比伦来。」
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
以赛亚说:「他们在你家里看见了什么?」希西家说:「凡我家中所有的,他们都看见了;我财宝中没有一样不给他们看的。」
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
以赛亚对希西家说:「你要听耶和华的话,
Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
日子必到,凡你家里所有的,并你列祖积蓄到如今的,都要被掳到巴比伦去,不留下一样。这是耶和华说的。
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
并且从你本身所生的众子,其中必有被掳去在巴比伦王宫里当太监的。」
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
希西家对以赛亚说:「你所说耶和华的话甚好!若在我的年日中有太平和稳固的景况,岂不是好吗?」
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
希西家其余的事和他的勇力,他怎样挖池、挖沟、引水入城,都写在犹大列王记上。
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
希西家与他列祖同睡。他儿子玛拿西接续他作王。
Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy