II Corinthians 9

论到供给圣徒的事,我不必写信给你们;
Fa ny amin'ny fiantrana ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;
因为我知道你们乐意的心,常对马其顿人夸奖你们,说亚该亚人预备好了,已经有一年了;并且你们的热心激动了许多人。
fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
但我打发那几位弟兄去,要叫你们照我的话预备妥当;免得我们在这事上夸奖你们的话落了空。
Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
万一有马其顿人与我同去,见你们没有预备,就叫我们所确信的,反成了羞愧;你们羞愧,更不用说了。
fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
因此,我想不得不求那几位弟兄先到你们那里去,把从前所应许的捐赀预备妥当,就显出你们所捐的是出于乐意,不是出于勉强。
Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
少种的少收,多种的多收,这话是真的。
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
各人要随本心所酌定的,不要作难,不要勉强,因为捐得乐意的人是 神所喜爱的。
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8, LXX.).
 神能将各样的恩惠多多的加给你们,使你们凡事常常充足,能多行各样善事。
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;
如经上所记:他施舍钱财,赒济贫穷;他的仁义存到永远。
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9).
那赐种给撒种的,赐粮给人吃的,必多多加给你们种地的种子,又增添你们仁义的果子;
Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
叫你们凡事富足,可以多多施舍,就借著我们使感谢归于 神。
dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
因为办这供给的事,不但补圣徒的缺乏,而且叫许多人越发感谢 神。
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
他们从这供给的事上得了凭据,知道你们承认基督顺服他的福音,多多的捐钱给他们和众人,便将荣耀归与 神。
satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
他们也因 神极大的恩赐显在你们心里,就切切的想念你们,为你们祈祷。
ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.
感谢 神,因他有说不尽的恩赐!
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.