II Corinthians 6

我们与 神同工的,也劝你们不可徒受他的恩典。
Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra
因为他说:在悦纳的时候,我应允了你;在拯救的日子,我搭救了你。看哪!现在正是悦纳的时候;现在正是拯救的日子。
fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
我们凡事都不叫人有妨碍,免得这职分被人毁谤;
fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
反倒在各样的事上表明自己是 神的用人,就如在许多的忍耐、患难、穷乏、困苦、
fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
鞭打、监禁、扰乱、勤劳、儆醒、不食、
amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina,
廉洁、知识、恒忍、恩慈、圣灵的感化、无伪的爱心、
amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
真实的道理、 神的大能;仁义的兵器在左在右;
amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,
荣耀、羞辱,恶名、美名;似乎是诱惑人的,却是诚实的;
amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
似乎不为人所知,却是人所共知的;似乎要死,却是活著的;似乎受责罚,却是不至丧命的;
tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
似乎忧愁,却是常常快乐的;似乎贫穷,却是叫许多人富足的;似乎一无所有,却是样样都有的。
tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
哥林多人哪,我们向你们,口是张开的,心是宽宏的。
Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
你们狭窄,原不在乎我们,是在乎自己的心肠狭窄。
Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
你们也要照样用宽宏的心报答我。我这话正像对自己的孩子说的。
Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
你们和不信的原不相配,不要同负一轭。义和不义有什么相交呢?光明和黑暗有什么相通呢?
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
基督和彼列(彼列就是撒但的别名)有什么相和呢?信主的和不信主的有什么相干呢?
Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
 神的殿和偶像有什么相同呢?因为我们是永生 神的殿,就如 神曾说:我要在他们中间居住,在他们中间来往;我要作他们的 神;他们要作我的子民。
Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
又说:你们务要从他们中间出来,与他们分别;不要沾不洁净的物,我就收纳你们。
Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
我要作你们的父;你们要作我的儿女。这是全能的主说的。
Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).