II Corinthians 5

我们原知道,我们这地上的帐棚若拆毁了,必得 神所造,不是人手所造,在天上永存的房屋。
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
我们在这帐棚里叹息,深想得那从天上来的房屋,好像穿上衣服;
Ary misento ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
倘若穿上,被遇见的时候就不至于赤身了。
fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
我们在这帐棚里叹息劳苦,并非愿意脱下这个,乃是愿意穿上那个,好叫这必死的被生命吞灭了。
Fa isika izao amin'izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty.
为此,培植我们的就是 神,他又赐给我们圣灵作凭据(原文是质)。
Ary Izay efa namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
所以,我们时常坦然无惧,并且晓得我们住在身内,便与主相离。
Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy mitoetra any amin'ny Tompo
因我们行事为人是凭著信心,不是凭著眼见。
(fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana);
我们坦然无惧,是更愿意离开身体与主同住。
eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny Tompo.
所以,无论是住在身内,离开身外,我们立了志向,要得主的喜悦。
Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
因为我们众人必要在基督台前显露出来,叫各人按著本身所行的,或善或恶受报。
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
我们既知道主是可畏的,所以劝人。但我们在 神面前是显明的,盼望在你们的良心里也是显明的。
Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
我们不是向你们再举荐自己,乃是叫你们因我们有可夸之处,好对那凭外貌不凭内心夸口的人,有言可答。
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho ihany, fa tsy amin'ny fo.
我们若果颠狂,是为 神;若果谨守,是为你们。
Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
原来基督的爱激励我们;因我们想,一人既替众人死,众人就都死了;
Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
并且他替众人死,是叫那些活著的人不再为自己活,乃为替他们死而复活的主活。
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
所以,我们从今以后,不凭著外貌(原文是肉体;本节同)认人了。虽然凭著外貌认过基督,如今却不再这样认他了。
Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
若有人在基督里,他就是新造的人,旧事已过,都变成新的了。
Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
一切都是出于 神;他借著基督使我们与他和好,又将劝人与他和好的职分赐给我们。
Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
这就是 神在基督里,叫世人与自己和好,不将他们的过犯归到他们身上,并且将这和好的道理托付了我们。
dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
所以,我们作基督的使者,就好像 神借我们劝你们一般。我们替基督求你们与 神和好。
Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.
 神使那无罪(无罪:原文是不知罪)的,替我们成为罪,好叫我们在他里面成为 神的义。
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.