II Corinthians 3

我们岂是又举荐自己吗?岂像别人用人的荐信给你们或用你们的荐信给人吗?
Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
你们就是我们的荐信,写在我们的心里,被众人所知道所念诵的。
Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;
你们明显是基督的信,借著我们修成的。不是用墨写的,乃是用永生 神的灵写的;不是写在石版上,乃是写在心版上。
eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
我们因基督,所以在 神面前才有这样的信心。
Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
并不是我们凭自己能承担什么事;我们所能承担的,乃是出于 神。
Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
他叫我们能承当这新约的执事,不是凭著字句,乃是凭著精意;因为那字句是叫人死,精意(或作:圣灵)是叫人活。
Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
那用字刻在石头上属死的职事尚且有荣光,甚至以色列人因摩西面上的荣光,不能定睛看他的脸;这荣光原是渐渐退去的,
Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
何况那属灵的职事岂不更有荣光吗?
tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?
若是定罪的职事有荣光,那称义的职事荣光就越发大了。
Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
那从前有荣光的,因这极大的荣光就算不得有荣光了;
Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
若那废掉的有荣光,这长存的就更有荣光了。
Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
我们既有这样的盼望,就大胆讲说,
Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
不像摩西将帕子蒙在脸上,叫以色列人不能定睛看到那将废者的结局。
ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
但他们的心地刚硬,直到今日诵读旧约的时候,这帕子还没有揭去。这帕子在基督里已经废去了。
fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany.
然而直到今日,每逢诵读摩西书的时候,帕子还在他们心上。
Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
但他们的心几时归向主,帕子就几时除去了。
Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
主就是那灵;主的灵在那里,那里就得以自由。
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
我们众人既然敞著脸得以看见主的荣光,好像从镜子里返照,就变成主的形状,荣上加荣,如同从主的灵变成的。
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.