II Corinthians 13

这是我第三次要到你们那里去。凭两三个人的口作见证,句句都要定准。
Izao no fanintelon'ny hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15).
我从前说过,如今不在你们那里又说,正如我第二次见你们的时候所说的一样,就是对那犯了罪的和其余的人说:我若再来,必不宽容。
Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
你们既然寻求基督在我里面说话的凭据,我必不宽容。因为,基督在你们身上不是软弱的,在你们里面是有大能的。
satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
他因软弱被钉在十字架上,却因 神的大能仍然活著。我们也是这样同他软弱,但因 神向你们所显的大能,也必与他同活。
Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
你们总要自己省察有信心没有,也要自己试验。岂不知你们若不是可弃绝的,就有耶稣基督在你们心里吗?
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?
我却盼望你们晓得,我们不是可弃绝的人。
Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
我们求 神,叫你们一件恶事都不做;这不是要显明我们是蒙悦纳的,是要你们行事端正,任凭人看我们是被弃绝的吧!
Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
我们凡事不能敌挡真理,只能扶助真理。
Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
即使我们软弱,你们刚强,我们也欢喜;并且我们所求的,就是你们作完全人。
Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
所以,我不在你们那里的时候,把这话写给你们,好叫我见你们的时候,不用照主所给我的权柄严厉的待你们;这权柄原是为造就人,并不是为败坏人。
Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
还有末了的话:愿弟兄们都喜乐。要作完全人;要受安慰;要同心合意;要彼此和睦。如此,仁爱和平的 神必常与你们同在。
Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
你们亲嘴问安,彼此务要圣洁。
Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
众圣徒都问你们安。
Ny olona masina rehetra manao veloma anareo.
愿主耶稣基督的恩惠、 神的慈爱、圣灵的感动,常与你们众人同在!
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.