II Corinthians 11

但愿你们宽容我这一点愚妄,其实你们原是宽容我的。
Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
我为你们起的愤恨,原是 神那样的愤恨。因为我曾把你们许配一个丈夫,要把你们如同贞洁的童女,献给基督。
Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
我只怕你们的心或偏于邪,失去那向基督所存纯一清洁的心,就像蛇用诡诈诱惑了夏娃一样。
Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
假如有人来另传一个耶稣,不是我们所传过的;或者你们另受一个灵,不是你们所受过的;或者另得一个福音,不是你们所得过的;你们容让他也就罢了。
Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
但我想,我一点不在那些最大的使徒以下。
Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
我的言语虽然粗俗,我的知识却不粗俗。这是我们在凡事上向你们众人显明出来的。
Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
我因为白白传 神的福音给你们,就自居卑微,叫你们高升,这算是我犯罪吗?
Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo?
我亏负了别的教会,向他们取了工价来给你们效力。
Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
我在你们那里缺乏的时候,并没有累著你们一个人;因我所缺乏的,那从马其顿来的弟兄们都补足了。我向来凡事谨守,后来也必谨守,总不至于累著你们。
Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
既有基督的诚实在我里面,就无人能在亚该亚一带地方阻挡我这自夸。
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia.
为什么呢?是因我不爱你们么?这有 神知道。
Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
我现在所做的,后来还要做,为要断绝那些寻机会人的机会,使他们在所夸的事上也不过与我们一样。
Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
那等人是假使徒,行事诡诈,装作基督使徒的模样。
Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.
这也不足为怪,因为连撒但也装作光明的天使。
Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
所以他的差役,若装作仁义的差役,也不算希奇。他们的结局必然照著他们的行为。
Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
我再说,人不可把我看作愚妄的。纵然如此,也要把我当作愚妄人接纳,叫我可以略略自夸。
Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
我说的话不是奉主命说的,乃是像愚妄人放胆自夸;
Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany.
既有好些人凭著血气自夸,我也要自夸了。
Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
你们既是精明人,就能甘心忍耐愚妄人。
Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.
假若有人强你们作奴仆,或侵吞你们,或掳掠你们,或侮慢你们,或打你们的脸,你们都能忍耐他。
Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
我说这话是羞辱自己,好像我们从前是软弱的。然而,人在何事上勇敢,(我说句愚妄话,)我也勇敢。
Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
他们是希伯来人吗?我也是。他们是以色列人吗?我也是。他们是亚伯拉罕的后裔吗?我也是。
Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
他们是基督的仆人吗?(我说句狂话,)我更是。我比他们多受劳苦,多下监牢,受鞭打是过重的,冒死是屡次有的。
Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
被犹太人鞭打五次,每次四十减去一下;
Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
被棍打了三次;被石头打了一次,遇著船坏三次,一昼一夜在深海里。
Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
又屡次行远路,遭江河的危险、盗贼的危险,同族的危险、外邦人的危险、城里的危险、旷野的危险、海中的危险、假弟兄的危险。
nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho,
受劳碌、受困苦,多次不得睡,又饥又渴,多次不得食,受寒冷,赤身露体。
tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
除了这外面的事,还有为众教会挂心的事,天天压在我身上。
Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
有谁软弱,我不软弱呢?有谁跌倒,我不焦急呢?
Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
我若必须自夸,就夸那关乎我软弱的事便了。
Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
那永远可称颂之主耶稣的父 神知道我不说谎。
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
在大马士革亚里达王手下的提督把守大马士革城,要捉拿我,
Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
我就从窗户中,在筐子里,从城墙上被人缒下去,脱离了他的手。
fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.