II Chronicles 8

所罗门建造耶和华殿和王宫,二十年才完毕了。
Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
以后所罗门重新修筑希兰送给他的那些城邑,使以色列人住在那里。
dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
所罗门往哈马琐巴去,攻取了那地方。
Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
所罗门建造旷野里的达莫,又建造哈马所有的积货城,
Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
又建造上伯‧和崙、下伯‧和崙作为保障,都有墙,有门,有闩;
Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
又建造巴拉和所有的积货城,并屯车辆马兵的城,与耶路撒冷、黎巴嫩,以及自己治理的全国中所愿意建造的。
ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
至于国中所剩下不属以色列人的赫人、亚摩利人、比利洗人、希未人、耶布斯人,
Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
就是以色列人未曾灭绝的,所罗门挑取他们的后裔作服苦的奴仆,直到今日。
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
惟有以色列人,所罗门不使他们当奴仆做工,乃是作他的战士、军长的统领、车兵长、马兵长。
Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
所罗门王有二百五十督工的,监管工人。
Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
所罗门将法老的女儿带出大卫城,上到为她建造的宫里;因所罗门说:「耶和华约柜所到之处都为圣地,所以我的妻不可住在以色列王大卫的宫里。」
Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
所罗门在耶和华的坛上,就是在廊子前他所筑的坛上,与耶和华献燔祭;
Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
又遵著摩西的吩咐在安息日、月朔,并一年三节,就是除酵节、七七节、住棚节,献每日所当献的祭。
eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
所罗门照著他父大卫所定的例,派定祭司的班次,使他们各供己事,又使利未人各尽其职,讚美耶和华,在祭司面前做每日所当做的;又派守门的按著班次看守各门,因为神人大卫是这样吩咐的。
Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
王所吩咐众祭司和利未人的,无论是管府库或办别的事,他们都不违背。
Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
所罗门建造耶和华的殿,从立根基直到成功的日子,工料俱备。这样,耶和华的殿全然完毕。
Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
那时,所罗门往以东地靠海的以旬‧迦别和以禄去。
Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,
希兰差遣他的臣仆,将船只和熟悉泛海的仆人送到所罗门那里。他们同著所罗门的仆人到了俄斐,得了四百五十他连得金子,运到所罗门王那里。
ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.