II Chronicles 35

约西亚在耶路撒冷向耶和华守逾越节。正月十四日,就宰了逾越节的羊羔。
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
王分派祭司各尽其职,又勉励他们办耶和华殿中的事;
Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
又对那归耶和华为圣、教训以色列人的利未人说:「你们将圣约柜安放在以色列王大卫儿子所罗门建造的殿里,不必再用肩扛抬。现在要事奉耶和华─你们的 神,服事他的民以色列。
Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
你们应当按著宗族,照著班次,遵以色列王大卫和他儿子所罗门所写的,自己预备。
ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.
要按著你们的弟兄,这民宗族的班次,站在圣所,每班中要利未宗族的几个人。
Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.
要宰逾越节的羊羔,洁净自己,为你们的弟兄预备了,好遵守耶和华借摩西所吩咐的话。」
Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.
约西亚从群畜中赐给在那里所有的人民,绵羊羔和山羊羔三万只,牛三千只,作逾越节的祭物;这都是出自王的产业中。
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
约西亚的众首领也乐意将牺牲给百姓和祭司利未人;又有管理 神殿的希勒家、撒迦利亚、耶歇将羊羔二千六百只,牛三百只,给祭司作逾越节的祭物。
Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
利未人的族长歌楠雅和他两个兄弟示玛雅、拿坦业,与哈沙比雅、耶利、约撒拔将羊羔五千只,牛五百只,给利未人作逾越节的祭物。
Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
这样,供献的事齐备了。祭司站在自己的地方,利未人按著班次站立,都是照王所吩咐的。
Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.
利未人宰了逾越节的羊羔,祭司从他们手里接过血来洒在坛上;利未人剥皮,
Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
将燔祭搬来,按著宗族的班次分给众民,好照摩西书上所写的,献给耶和华;献牛也是这样。
Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.
他们按著常例,用火烤逾越节的羊羔。别的圣物用锅,用釜,用罐煮了,速速地送给众民。
Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
然后为自己和祭司预备祭物;因为祭司亚伦的子孙献燔祭和脂油,直到晚上。所以利未人为自己和祭司亚伦的子孙,预备祭物。
Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.
歌唱的亚萨之子孙,照著大卫、亚萨、希幔,和王的先见耶杜顿所吩咐的,站在自己的地位上。守门的看守各门,不用离开他们的职事,因为他们的弟兄利未人给他们预备祭物。
Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
当日,供奉耶和华的事齐备了,就照约西亚王的吩咐守逾越节,献燔祭在耶和华的坛上。
Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
当时在耶路撒冷的以色列人守逾越节,又守除酵节七日。
Ary ny Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
自从先知撒母耳以来,在以色列中没有守过这样的逾越节,以色列诸王也没有守过,像约西亚、祭司、利未人、在那里的犹大人,和以色列人,以及耶路撒冷居民所守的逾越节。
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
这逾越节是约西亚作王十八年守的。
Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.
这事以后,约西亚修完了殿,有埃及王尼哥上来,要攻击靠近伯拉河的迦基米施;约西亚出去抵挡他。
Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
他差遣使者来见约西亚,说:「犹大王啊,我与你何干?我今日来不是要攻击你,乃是要攻击与我争战之家,并且 神吩咐我速行,你不要干预 神的事,免得他毁灭你,因为 神是与我同在。」
Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
约西亚却不肯转去离开他,改装要与他打仗,不听从 神借尼哥之口所说的话,便来到米吉多平原争战。
Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.
弓箭手射中约西亚王。王对他的臣仆说:「我受了重伤,你拉我出阵吧!」
Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
他的臣仆扶他下了战车,上了次车,送他到耶路撒冷,他就死了,葬在他列祖的坟墓里。犹大人和耶路撒冷人都为他悲哀。
Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
耶利米为约西亚作哀歌。所有歌唱的男女也唱哀歌,追悼约西亚,直到今日;而且在以色列中成了定例。这歌载在哀歌书上。
Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.
约西亚其余的事和他遵著耶和华律法上所记而行的善事,
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,
并他自始至终所行的,都写在以色列和犹大列王记上。
dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.