II Chronicles 32

这虔诚的事以后,亚述王西拿基立来侵入犹大,围困一切坚固城,想要攻破占据。
Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
希西家见西拿基立来,定意要攻打耶路撒冷,
Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
就与首领和勇士商议,塞住城外的泉源;他们就都帮助他。
dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
于是有许多人聚集,塞了一切泉源,并通流国中的小河,说:「亚述王来,为何让他得著许多水呢?」
Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
希西家力图自强,就修筑所有拆毁的城墙,高与城楼相齐;在城外又筑一城,坚固大卫城的米罗,制造了许多军器、盾牌;
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.
设立军长管理百姓,将他们招聚在城门的宽阔处,用话勉励他们,说:
Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
「你们当刚强壮胆,不要因亚述王和跟随他的大军恐惧、惊慌;因为与我们同在的,比与他们同在的更大。
Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
与他们同在的是肉臂,与我们同在的是耶和华─我们的 神,他必帮助我们,为我们争战。」百姓就靠犹大王希西家的话,安然无惧了。
Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
此后,亚述王西拿基立和他的全军攻打拉吉,就差遣臣仆到耶路撒冷见犹大王希西家和一切在耶路撒冷的犹大人,说:
Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
「亚述王西拿基立如此说:『你们倚靠什么,还在耶路撒冷受困呢?
Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ?
希西家对你们说「耶和华─我们的 神必救我们脱离亚述王的手」,这不是诱惑你们,使你们受饥渴而死吗?
Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
这希西家岂不是废去耶和华的邱坛和祭坛,吩咐犹大与耶路撒冷的人说「你们当在一个坛前敬拜,在其上烧香」吗?
Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ?
我与我列祖向列邦所行的,你们岂不知道吗?列邦的神何尝能救自己的国脱离我手呢?
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?
我列祖所灭的国,那些神中谁能救自己的民脱离我手呢?难道你们的神能救你们脱离我手吗?
Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo?
所以你们不要叫希西家这样欺哄诱惑你们,也不要信他;因为没有一国一邦的神能救自己的民脱离我手和我列祖的手,何况你们的神更不能救你们脱离我的手。』」
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?
西拿基立的臣仆还有别的话毁谤耶和华 神和他仆人希西家。
Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
西拿基立也写信毁谤耶和华─以色列的 神说:「列邦的神既不能救他的民脱离我手,希西家的神也不能救他的民脱离我手了。」
sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
亚述王的臣仆用犹大言语向耶路撒冷城上的民大声呼叫,要惊吓他们,扰乱他们,以便取城。
Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
他们论耶路撒冷的 神,如同论世上人手所造的神一样。
Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
希西家王和亚摩斯的儿子先知以赛亚因此祷告,向天呼求。
Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra.
耶和华就差遣一个使者进入亚述王营中,把所有大能的勇士和官长、将帅尽都灭了。亚述王满面含羞地回到本国,进了他神的庙中,有他亲生的儿子在那里用刀杀了他。
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
这样,耶和华救希西家和耶路撒冷的居民脱离亚述王西拿基立的手,也脱离一切仇敌的手,又赐他们四境平安。
Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy.
有许多人到耶路撒冷,将供物献与耶和华,又将宝物送给犹大王希西家。此后,希西家在列邦人的眼中看为尊大。
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
那时希西家病得要死,就祷告耶和华,耶和华应允他,赐他一个兆头。
Tamin'izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin'i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
希西家却没有照他所蒙的恩报答耶和华;因他心里骄傲,所以忿怒要临到他和犹大并耶路撒冷。
Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema.
但希西家和耶路撒冷的居民觉得心里骄傲,就一同自卑,以致耶和华的忿怒在希西家的日子没有临到他们。
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
希西家大有尊荣资财,建造府库,收藏金银、宝石、香料、盾牌,和各样的宝器,
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
又建造仓房,收藏五谷、新酒,和油,又为各类牲畜盖棚立圈;
ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.
并且建立城邑,还有许多的羊群牛群,因为 神赐他极多的财产。
Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
这希西家也塞住基训的上源,引水直下,流在大卫城的西边。希西家所行的事尽都亨通。
Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia.
惟有一件事,就是巴比伦王差遣使者来见希西家,访问国中所现的奇事;这件事 神离开他,要试验他,好知道他心内如何。
Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
希西家其余的事和他的善行都写在亚摩斯的儿子先知以赛亚的默示书上和犹大、以色列的诸王记上。
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
希西家与他列祖同睡,葬在大卫子孙的高陵上。他死的时候,犹大人和耶路撒冷的居民都尊敬他。他儿子玛拿西接续他作王。
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.