II Chronicles 31

这事既都完毕,在那里的以色列众人就到犹大的城邑,打碎柱像,砍断木偶,又在犹大、便雅悯、以法莲、玛拿西遍地将邱坛和祭坛拆毁净尽。于是以色列众人各回各城,各归各地。
Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
希西家派定祭司利未人的班次,各按各职献燔祭和平安祭,又在耶和华殿【原文作营】门内事奉,称谢颂讚耶和华。
Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
王又从自己的产业中定出分来为燔祭,就是早晚的燔祭和安息日、月朔,并节期的燔祭,都是按耶和华律法上所载的;
Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
又吩咐住耶路撒冷的百姓将祭司、利未人所应得的分给他们,使他们专心遵守耶和华的律法。
Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.
谕旨一出,以色列人就把初熟的五谷、新酒、油、蜜,和田地的出产多多送来,又把各物的十分之一送来的极多。
Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
住犹大各城的以色列人和犹大人也将牛羊的十分之一,并分别为圣归耶和华─他们 神之物,就是十分取一之物,尽都送来,积成堆垒;
Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
从三月积起,到七月才完。
Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.
希西家和众首领来,看见堆垒,就称颂耶和华,又为耶和华的民以色列人祝福。
Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
希西家向祭司、利未人查问这堆垒。
Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.
撒督家的大祭司亚撒利雅回答说:「自从民将供物送到耶和华殿以来,我们不但吃饱,且剩下的甚多;因为耶和华赐福给他的民,所剩下的才这样丰盛。」
Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
希西家吩咐在耶和华殿里预备仓房,他们就预备了。
Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.
他们诚心将供物和十分取一之物,并分别为圣之物,都搬入仓内。利未人歌楠雅掌管这事,他兄弟示每为副管。
Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
耶歇、亚撒细雅、拿哈、亚撒黑、耶利末、约撒拔、以列、伊斯玛基雅、玛哈、比拿雅都是督理,在歌楠雅和他兄弟示每的手下,是希西家王和管理 神殿的亚撒利雅所派的。
Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
守东门的利未人音拿的儿子可利,掌管乐意献与 神的礼物,发放献与耶和华的供物和至圣的物。
Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
在他手下有伊甸、岷雅岷、耶书亚、示玛雅、亚玛利雅、示迦尼雅,在祭司的各城里供紧要的职任,无论弟兄大小,都按著班次分给他们。
Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
按家谱,三岁以外的男丁,凡每日进耶和华殿、按班次供职的,也分给他;
afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
又按宗族家谱分给祭司,按班次职任分给二十岁以外的利未人,
Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
又按家谱计算,分给他们会中的妻子、儿女;因他们身供要职,自洁成圣。
Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.
按名派定的人要把应得的分给亚伦子孙,住在各城郊野、祭司所有的男丁和一切载入家谱的利未人。
Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
希西家在犹大遍地这样办理,行耶和华─他 神眼中看为善为正为忠的事。
Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
凡他所行的,无论是办 神殿的事,是遵律法守诫命,是寻求他的 神,都是尽心去行,无不亨通。
Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy