II Chronicles 24

约阿施登基的时候年七岁,在耶路撒冷作王四十年。他母亲名叫西比亚,是别是巴人。
Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
祭司耶何耶大在世的时候,约阿施行耶和华眼中看为正的事。
Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona.
耶何耶大为他娶了两个妻,并且生儿养女。
Ary nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
此后,约阿施有意重修耶和华的殿,
Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
便召聚众祭司和利未人,吩咐他们说:「你们要往犹大各城去,使以色列众人捐纳银子,每年可以修理你们 神的殿;你们要急速办理这事。」只是利未人不急速办理。
Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
王召了大祭司耶何耶大来,对他说:「从前耶和华的仆人摩西,为法柜的帐幕与以色列会众所定的捐项,你为何不叫利未人照这例从犹大和耶路撒冷带来作殿的费用呢?」
Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?
〈因为那恶妇亚她利雅的众子曾拆毁 神的殿,又用耶和华殿中分别为圣的物供奉巴力。〉
Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala.
于是王下令,众人做了一柜,放在耶和华殿的门外,
Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany.
又通告犹大和耶路撒冷的百姓,要将 神仆人摩西在旷野所吩咐以色列人的捐项给耶和华送来。
Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
众首领和百姓都欢欢喜喜地将银子送来,投入柜中,直到捐完。
Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny.
利未人见银子多了,就把柜抬到王所派的司事面前;王的书记和大祭司的属员来将柜倒空,仍放在原处。日日都是这样,积蓄的银子甚多。
Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
王与耶何耶大将银子交给耶和华殿里办事的人,他们就雇了石匠、木匠重修耶和华的殿,又雇了铁匠、铜匠修理耶和华的殿。
Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
工人操作,渐渐修成,将 神殿修造得与从前一样,而且甚是坚固。
Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon'Andriamanitra ka nataony mafy.
工程完了,他们就把其余的银子拿到王与耶何耶大面前,用以制造耶和华殿供奉所用的器皿和调羹,并金银的器皿。耶何耶大在世的时候,众人常在耶和华殿里献燔祭。
Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.
耶何耶大年纪老迈,日子满足而死。死的时候年一百三十岁,
Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
葬在大卫城列王的坟墓里;因为他在以色列人中行善,又事奉 神,修理 神的殿。
Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.
耶何耶大死后,犹大的众首领来朝拜王;王就听从他们。
Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
他们离弃耶和华─他们列祖 神的殿,去事奉亚舍拉和偶像;因他们这罪,就有忿怒临到犹大和耶路撒冷。
Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
但 神仍遣先知到他们那里,引导他们归向耶和华。这先知警戒他们,他们却不肯听。
Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
那时, 神的灵感动祭司耶何耶大的儿子撒迦利亚,他就站在上面对民说:「 神如此说:你们为何干犯耶和华的诫命,以致不得亨通呢?因为你们离弃耶和华,所以他也离弃你们。」
Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
众民同心谋害撒迦利亚,就照王的吩咐,在耶和华殿的院内用石头打死他。
Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.
这样,约阿施王不想念撒迦利亚的父亲耶何耶大向自己所施的恩,杀了他的儿子。撒迦利亚临死的时候说:「愿耶和华鉴察伸冤!」
Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
满了一年,亚兰的军兵上来攻击约阿施,来到犹大和耶路撒冷,杀了民中的众首领,将所掠的财货送到大马色王那里。
Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
亚兰的军兵虽来了一小队,耶和华却将大队的军兵交在他们手里,是因犹大人离弃耶和华─他们列祖的 神,所以借亚兰人惩罚约阿施。
Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.
亚兰人离开约阿施的时候,他患重病;臣仆背叛他,要报祭司耶何耶大儿子流血之仇,杀他在床上,葬他在大卫城,只是不葬在列王的坟墓里。
Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
背叛他的是亚扪妇人示米押的儿子撒拔和摩押妇人示米利的儿子约萨拔。
Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.
至于他的众子和他所受的警戒,并他重修 神殿的事,都写在列王的传上。他儿子亚玛谢接续他作王。
Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.