II Chronicles 23

第七年,耶何耶大奋勇自强,将百夫长耶罗罕的儿子亚撒利雅,约哈难的儿子以实玛利,俄备得的儿子亚撒利雅,亚大雅的儿子玛西雅,细基利的儿子以利沙法召来,与他们立约。
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.
他们走遍犹大,从犹大各城里招聚利未人和以色列的众族长到耶路撒冷来。
Ary nitety an'i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
会众在 神殿里与王立约。耶何耶大对他们说:「看哪,王的儿子必当作王,正如耶和华指著大卫子孙所应许的话」;
Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida.
又说:「你们当这样行:祭司和利未人凡安息日进班的,三分之一要把守各门,
Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
三分之一要在王宫,三分之一要在基址门;众百姓要在耶和华殿的院内。
ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah.
除了祭司和供职的利未人之外,不准别人进耶和华的殿;惟独他们可以进去,因为他们圣洁。众百姓要遵守耶和华所吩咐的。
Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana.
利未人要手中各拿兵器,四围护卫王;凡擅入殿宇的,必当治死。王出入的时候,你们当跟随他。」
Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
利未人和犹大众人都照著祭司耶何耶大一切所吩咐的去行,各带所管安息日进班出班的人来,因为祭司耶何耶大不许他们下班。
Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
祭司耶何耶大便将 神殿里所藏大卫王的枪、盾牌、挡牌交给百夫长,
Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.
又分派众民手中各拿兵器,在坛和殿那里,从殿右直到殿左,站在王子的四围;
Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
于是领王子出来,给他戴上冠冕,将律法书交给他,立他作王。耶何耶大和众子膏他,众人说:「愿王万岁!」
Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
亚她利雅听见民奔走讚美王的声音,就到民那里,进耶和华的殿,
Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'i Jehovah koa izy.
看见王站在殿门的柱旁,百夫长和吹号的人侍立在王左右,国民都欢乐吹号,又有歌唱的,用各样的乐器领人歌唱讚美;亚她利雅就撕裂衣服,喊叫说:「反了!反了!」
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
祭司耶何耶大带管辖军兵的百夫长出来,吩咐他们说:「将她赶到班外,凡跟随她的必用刀杀死!」因为祭司说:「不可在耶和华殿里杀她。」
Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
众兵就闪开,让她去;她走到王宫的马门,便在那里把她杀了。
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
耶何耶大与众民和王立约,都要作耶和华的民。
Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.
于是众民都到巴力庙,拆毁了庙,打碎坛和像,又在坛前将巴力的祭司玛坦杀了。
Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.
耶何耶大派官看守耶和华的殿,是在祭司利未人手下。这祭司利未人是大卫分派在耶和华殿中、照摩西律法上所写的,给耶和华献燔祭,又按大卫所定的例,欢乐歌唱;
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.
且设立守门的把守耶和华殿的各门,无论为何事,不洁净的人都不准进去。
Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
又率领百夫长和贵冑,与民间的官长,并国中的众民,请王从耶和华殿下来,由上门进入王宫,立王坐在国位上。
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.
国民都欢乐,合城都安静。众人已将亚她利雅用刀杀了。
Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.