II Chronicles 17

亚撒的儿子约沙法接续他作王,奋勇自强,防备以色列人,
Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.
安置军兵在犹大一切坚固城里,又安置防兵在犹大地和他父亚撒所得以法莲的城邑中。
Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.
耶和华与约沙法同在;因为他行他祖大卫初行的道,不寻求巴力,
Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
只寻求他父亲的 神,遵行他的诫命,不效法以色列人的行为。
fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.
所以耶和华坚定他的国,犹大众人给他进贡;约沙法大有尊荣资财。
Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
他高兴遵行耶和华的道,并且从犹大除掉一切邱坛和木偶。
Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
他作王第三年,就差遣臣子便亥伊勒、俄巴底、撒迦利雅、拿坦业、米该亚往犹大各城去教训百姓。
Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
同著他们有利未人示玛雅、尼探雅、西巴第雅、亚撒黑、示米拉末、约拿单、亚多尼雅、多比雅、驼巴多尼雅,又有祭司以利沙玛、约兰同著他们。
Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
他们带著耶和华的律法书,走遍犹大各城教训百姓。
Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.
耶和华使犹大四围的列国都甚恐惧,不敢与约沙法争战。
Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.
有些非利士人与约沙法送礼物,纳贡银。阿拉伯人也送他公绵羊七千七百只,公山羊七千七百只。
Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
约沙法日渐强大,在犹大建造营寨和积货城。
Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
他在犹大城邑中有许多工程,又在耶路撒冷有战士,就是大能的勇士。
Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
他们的数目,按著宗族,记在下面:犹大族的,千夫长押拿为首率领大能的勇士─三十万;
Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
其次是,千夫长约哈难率领大能的勇士─二十八万;
ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
其次是,细基利的儿子亚玛斯雅〈他为耶和华牺牲自己〉率领大能的勇士─二十万。
ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
便雅悯族,是大能的勇士以利雅大率领,拿弓箭和盾牌的─二十万;
Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
其次是,约萨拔率领预备打仗的─十八万。
ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
这都是伺候王的,还有王在犹大全地坚固城所安置的不在其内。
Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.