II Chronicles 15

 神的灵感动俄德的儿子亚撒利雅。
Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda;
他出来迎接亚撒,对他说:「亚撒和犹大、便雅悯众人哪,要听我说:你们若顺从耶和华,耶和华必与你们同在;你们若寻求他,就必寻见;你们若离弃他,他必离弃你们。
ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
以色列人不信真 神,没有训诲的祭司,也没有律法,已经好久了;
Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
但他们在急难的时候归向耶和华─以色列的 神,寻求他,他就被他们寻见。
Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
那时,出入的人不得平安,列国的居民都遭大乱;
Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany.
这国攻击那国,这城攻击那城,互相破坏,因为 神用各样灾难扰乱他们。
Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra.
现在你们要刚强,不要手软,因你们所行的必得赏赐。」
Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
亚撒听见这话和俄德儿子先知亚撒利雅的预言,就壮起胆来,在犹大、便雅悯全地,并以法莲山地所夺的各城,将可憎之物尽都除掉,又在耶和华殿的廊前重新修筑耶和华的坛;
Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.
又招聚犹大、便雅悯的众人,并他们中间寄居的以法莲人、玛拿西人、西缅人。有许多以色列人归降亚撒,因见耶和华─他的 神与他同在。
Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
亚撒十五年三月,他们都聚集在耶路撒冷。
Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa.
当日他们从所取的掳物中,将牛七百只、羊七千只献给耶和华。
Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.
他们就立约,要尽心尽性地寻求耶和华─他们列祖的 神。
Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
凡不寻求耶和华─以色列 神的,无论大小、男女,必被治死。
ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
他们就大声欢呼,吹号吹角,向耶和华起誓。
Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.
犹大众人为所起的誓欢喜;因他们是尽心起誓,尽意寻求耶和华,耶和华就被他们寻见,且赐他们四境平安。
Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay.
亚撒王贬了他祖母玛迦太后的位,因她造了可憎的偶像亚舍拉。亚撒砍下她的偶像,捣得粉碎,烧在汲沦溪边。
Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
只是邱坛还没有从以色列中废去,然而亚撒的心一生诚实。
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.
亚撒将他父所分别为圣、与自己所分别为圣的金银和器皿都奉到 神的殿里。
Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
从这时直到亚撒三十五年,都没有争战的事。
Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.