II Chronicles 14

亚比雅与他列祖同睡,葬在大卫城里。他儿子亚撒接续他作王。亚撒年间,国中太平十年。
Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitra;
亚撒行耶和华─他 神眼中看为善为正的事,
fa nandrava ny alitaran'ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
除掉外邦神的坛和邱坛,打碎柱像,砍下木偶,
Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
吩咐犹大人寻求耶和华─他们列祖的 神,遵行他的律法、诫命;
Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
又在犹大各城邑除掉邱坛和日像,那时国享太平;
Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
又在犹大建造了几座坚固城。国中太平数年,没有战争,因为耶和华赐他平安。
Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
他对犹大人说:「我们要建造这些城邑,四围筑墙,盖楼,安门,做闩;地还属我们,是因寻求耶和华─我们的 神;我们既寻求他,他就赐我们四境平安。」于是建造城邑,诸事亨通。
Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin'ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
亚撒的军兵,出自犹大拿盾牌拿枪的三十万人;出自便雅悯拿盾牌拉弓的二十八万人。这都是大能的勇士。
Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
有古实王谢拉率领军兵一百万,战车三百辆,出来攻击犹大人,到了玛利沙。
Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa izy.
于是亚撒出去与他迎敌,就在玛利沙的洗法谷彼此摆阵。
Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
亚撒呼求耶和华─他的 神说:「耶和华啊,惟有你能帮助软弱的,胜过强盛的。耶和华─我们的 神啊,求你帮助我们;因为我们仰赖你,奉你的名来攻击这大军。耶和华啊,你是我们的 神,不要容人胜过你。」
Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
于是耶和华使古实人败在亚撒和犹大人面前,古实人就逃跑了;
Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka.
亚撒和跟随他的军兵追赶他们,直到基拉耳。古实人被杀的甚多,不能再强盛,因为败在耶和华与他军兵面前。犹大人就夺了许多财物,
Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
又打破基拉耳四围的城邑;耶和华使其中的人都甚恐惧。犹大人又将所有的城掳掠一空,因其中的财物甚多,
Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
又毁坏了群畜的圈,夺取许多的羊和骆驼,就回耶路撒冷去了。