I Samuel 31

非利士人与以色列人争战。以色列人在非利士人面前逃跑,在基利波有被杀仆倒的。
Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
非利士人紧追扫罗和他儿子们,就杀了扫罗的儿子约拿单、亚比拿达、麦基舒亚。
Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.
势派甚大,扫罗被弓箭手追上,射伤甚重,
Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
就吩咐拿他兵器的人说:「你拔出刀来,将我刺死,免得那些未受割礼的人来刺我,凌辱我。」但拿兵器的人甚惧怕,不肯刺他;扫罗就自己伏在刀上死了。
Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
拿兵器的人见扫罗已死,也伏在刀上死了。
Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
这样,扫罗和他三个儿子,与拿他兵器的人,以及跟随他的人,都一同死亡。
Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
住平原那边并约旦河西的以色列人,见以色列军兵逃跑,扫罗和他儿子都死了,也就弃城逃跑。非利士人便来住在其中。
Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
次日,非利士人来剥那被杀之人的衣服,看见扫罗和他三个儿子仆倒在基利波山,
Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
就割下他的首级,剥了他的军装,打发人到(或译:送到)非利士地的四境,报信与他们庙里的偶像和众民;
Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.
又将扫罗的军装放在亚斯她录庙里,将他的尸身钉在伯‧珊的城墙上。
Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.
基列‧雅比的居民听见非利士人向扫罗所行的事,
Ary nony ren'ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
他们中间所有的勇士就起身,走了一夜,将扫罗和他儿子的尸身从伯‧珊城墙上取下来,送到雅比那里,用火烧了;
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
将他们骸骨葬在雅比的垂丝柳树下,就禁食七日。
Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.