I Samuel 3

童子撒母耳在以利面前事奉耶和华。当那些日子,耶和华的言语稀少,不常有默示。
Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
一日,以利睡卧在自己的地方;他眼目昏花,看不分明。
Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
 神的灯在 神耶和华殿内约柜那里,还没有熄灭,撒母耳已经睡了。
sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra,
耶和华呼唤撒母耳。撒母耳说:「我在这里!」
dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
就跑到以利那里,说:「你呼唤我?我在这里。」以利回答说:「我没有呼唤你,你去睡吧。」他就去睡了。
Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
耶和华又呼唤撒母耳。撒母耳起来,到以利那里,说:「你呼唤我?我在这里。」以利回答说:「我的儿,我没有呼唤你,你去睡吧。」
Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
那时撒母耳还未认识耶和华,也未得耶和华的默示。
Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
耶和华第三次呼唤撒母耳。撒母耳起来,到以利那里,说:「你又呼唤我?我在这里。」以利才明白是耶和华呼唤童子。
Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
因此以利对撒母耳说:「你仍去睡吧;若再呼唤你,你就说:『耶和华啊,请说,仆人敬听!』」撒母耳就去,仍睡在原处。
Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany.
耶和华又来站著,像前三次呼唤说:「撒母耳啊!撒母耳啊!」撒母耳回答说:「请说,仆人敬听!」
Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
耶和华对撒母耳说:「我在以色列中必行一件事,叫听见的人都必耳鸣。
Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
我指著以利家所说的话,到了时候,我必始终应验在以利身上。
Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
我曾告诉他必永远降罚与他的家,因他知道儿子作孽,自招咒诅,却不禁止他们。
Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
所以我向以利家起誓说:『以利家的罪孽,虽献祭奉礼物,永不能得赎去。』」
Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
撒母耳睡到天亮,就开了耶和华的殿门,不敢将默示告诉以利。
Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
以利呼唤撒母耳说:「我儿撒母耳啊!」撒母耳回答说:「我在这里!」
Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
以利说:「耶和华对你说什么,你不要向我隐瞒;你若将 神对你所说的隐瞒一句,愿他重重地降罚与你。」
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
撒母耳就把一切话都告诉了以利,并没有隐瞒。以利说:「这是出于耶和华,愿他凭自己的意旨而行。」
Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
撒母耳长大了,耶和华与他同在,使他所说的话一句都不落空。
Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
从但到别是巴所有的以色列人都知道耶和华立撒母耳为先知。
Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela.
耶和华又在示罗显现;因为耶和华将自己的话默示撒母耳,撒母耳就把这话传遍以色列地。
Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.