I Samuel 29

非利士人将他们的军旅聚到亚弗;以色列人在耶斯列的泉旁安营。
Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.
非利士人的首领各率军队,或百或千,挨次前进;大卫和跟随他的人同著亚吉跟在后边。
Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.
非利士人的首领说:「这些希伯来人在这里做什么呢?」亚吉对他们说:「这不是以色列王扫罗的臣子大卫么?他在我这里有些年日了。自从他投降我直到今日,我未曾见他有过错。」
Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
非利士人的首领向亚吉发怒,对他说:「你要叫这人回你所安置他的地方,不可叫他同我们出战,恐怕他在阵上反为我们的敌人。他用什么与他主人复和呢?岂不是用我们这些人的首级么?
Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
从前以色列的妇女跳舞唱和说:『扫罗杀死千千,大卫杀死万万』,所说的不是这个大卫吗?」
Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
亚吉叫大卫来,对他说:「我指著永生的耶和华起誓,你是正直人。你随我在军中出入,我看你甚好。自从你投奔我到如今,我未曾见你有什么过失;只是众首领不喜悦你。
Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo ianao.
现在你可以平平安安地回去,免得非利士人的首领不欢喜你。」
Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny Filistina.
大卫对亚吉说:「我做了什么呢?自从仆人到你面前,直到今日,你查出我有什么过错,使我不去攻击主─我王的仇敌呢?」
Fa hoy Davida tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
亚吉说:「我知道你在我眼前是好人,如同 神的使者一般;只是非利士人的首领说:『这人不可同我们出战。』
Ary Akisy namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
故此你和跟随你的人,就是你本主的仆人,要明日早晨起来,等到天亮回去吧!」
Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
于是大卫和跟随他的人早晨起来,回往非利士地去。非利士人也上耶斯列去了。
Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.