I Samuel 27

大卫心里说:「必有一日我死在扫罗手里,不如逃奔非利士地去。扫罗见我不在以色列的境内,就必绝望,不再寻索我;这样我可以脱离他的手。」
Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
于是大卫起身,和跟随他的六百人投奔迦特王─玛俄的儿子亚吉去了。
Ary niainga Davida nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata.
大卫和他的两个妻,就是耶斯列人亚希暖和作过拿八妻的迦密人亚比该,并跟随他的人,连各人的眷属,都住在迦特的亚吉那里。
Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
有人告诉扫罗说:「大卫逃到迦特。」扫罗就不再寻索他了。
Ary nambara tamin'i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
大卫对亚吉说:「我若在你眼前蒙恩,求你在京外的城邑中赐我一个地方居住。仆人何必与王同住京都呢?」
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
当日亚吉将洗革拉赐给他,因此洗革拉属犹大王,直到今日。
Dia nomen'i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
大卫在非利士地住了一年零四个月。
Ary ny andro nitoeran'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
大卫和跟随他的人上去,侵夺基述人、基色人、亚玛力人之地。这几族历来住在那地,从书珥直到埃及。
Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny tany Egypta.
大卫击杀那地的人,无论男女都没有留下一个,又夺获牛、羊、骆驼、驴,并衣服,回来见亚吉。
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.
亚吉说:「你们今日侵夺了什么地方呢?」大卫说:「侵夺了犹大的南方、耶拉篾的南方、基尼的南方。」
Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
无论男女,大卫没有留下一个带到迦特来。他说:「恐怕他们将我们的事告诉人,说大卫住在非利士地的时候常常这样行。」
Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
亚吉信了大卫,心里说:「大卫使本族以色列人憎恶他,所以他必永远作我的仆人了。」
Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.