I Samuel 19

扫罗对他儿子约拿单和众臣仆说,要杀大卫;扫罗的儿子约拿单却甚喜爱大卫。
Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
约拿单告诉大卫说:「我父扫罗想要杀你,所以明日早晨你要小心,到一个僻静地方藏身。
Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;
我就出到你所藏的田里,站在我父亲旁边与他谈论。我看他情形怎样,我必告诉你。」
ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
约拿单向他父亲扫罗替大卫说好话,说:「王不可得罪王的仆人大卫;因为他未曾得罪你,他所行的都与你大有益处。
Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
他拚命杀那非利士人,耶和华为以色列众人大行拯救;那时你看见,甚是欢喜,现在为何无故要杀大卫,流无辜人的血,自己取罪呢?」
fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
扫罗听了约拿单的话,就指著永生的耶和华起誓说:「我必不杀他。」
Ary Saoly nihaino ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
约拿单叫大卫来,把这一切事告诉他,带他去见扫罗。他就仍然侍立在扫罗面前。
Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
此后又有争战的事。大卫出去与非利士人打仗,大大杀败他们,他们就在他面前逃跑。
Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
从耶和华那里来的恶魔又降在扫罗身上(扫罗手里拿枪坐在屋里),大卫就用手弹琴。
Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.
扫罗用枪想要刺透大卫,钉在墙上;他却躲开,扫罗的枪刺入墙内。当夜大卫逃走,躲避了。
Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
扫罗打发人到大卫的房屋那里窥探他,要等到天亮杀他。大卫的妻米甲对他说:「你今夜若不逃命,明日你要被杀。」
Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
于是米甲将大卫从窗户里缒下去;大卫就逃走,躲避了。
Ary Mikala nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
米甲把家中的神像放在床上,头枕在山羊毛装的枕头上,用被遮盖。
Ary nalain'i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
扫罗打发人去捉拿大卫,米甲说:「他病了。」
Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
扫罗又打发人去看大卫,说:「当连床将他抬来,我好杀他。」
Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko.
使者进去,看见床上有神像,头枕在山羊毛装的枕头上。
Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.
扫罗对米甲说:「你为什么这样欺哄我,放我仇敌逃走呢?」米甲回答说:「他对我说:『你放我走,不然我要杀你。』」
Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
大卫逃避,来到拉玛见撒母耳,将扫罗向他所行的事述说了一遍。他和撒母耳就往拿约去居住。
Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
有人告诉扫罗,说大卫在拉玛的拿约。
Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
扫罗打发人去捉拿大卫。去的人见有一班先知都受感说话,撒母耳站在其中监管他们;打发去的人也受 神的灵感动说话。
Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
有人将这事告诉扫罗,他又打发人去,他们也受感说话。扫罗第三次打发人去,他们也受感说话。
Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
然后扫罗自己往拉玛去,到了西沽的大井,问人说:「撒母耳和大卫在哪里呢?」有人说:「在拉玛的拿约。」
Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
他就往拉玛的拿约去。 神的灵也感动他,一面走一面说话,直到拉玛的拿约。
Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
他就脱了衣服,在撒母耳面前受感说话,一昼一夜露体躺卧。因此有句俗语说:「扫罗也列在先知中吗?」
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?